Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 30:14 - DIEM PROTESTANTA

14 Indray andro tamin’ny fotoam-pararano iny, dia nandeha nitsangatsangana tany an-tsaha i Reobena ary nahita mandragôra. Nentiny tany amin’i Leà reniny izany, ka hoy i Rahely tamin’i Leà: –Mba omeo kely amin’ireo mandragôran’ny zanakao aho, azafady!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

14 Ary nandeha nitsangantsangana i Robena tamin’ny fotoana fijinjam-barimbazaha dia nahita dodaima tany an-tsaha ka nitondra azy ho any amin’i Lea reniny. Ary hoy Rahely tamin’i Lea: Mba anomezo amin’ny dodaiman’ny zanakao re aho!

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

14 Indray andro tamin’ny fotoam-pararano iny, dia nandeha nitsangatsangana tany an-tsaha i Reobena ary nahita mandragôra. Nentiny tany amin’i Leà reniny izany, ka hoy i Rahely tamin’i Leà: –Mba omeo kely amin’ireo mandragôran’ny zanakao aho, azafady!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

14 Tamin’ny fotoana fijinjam-barim-bazaha, nivoaka i Robena, ka nahita mandragora tany an-tsaha, dia nentiny tany amin’i Lià reniny. Ary hoy i Rasela tamin’i Lià: «Masìna ianao, mba omeo kely amin’ny mandragoran-janakao aho.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

14 Ary nivoaka nitsangantsangana Robena tamin’ny andro fijinjam-bary ka nahita dodaima naniry tany an-tsaha, dia nitondra azy ho any amin’i Lea reniny. Ary hoy Rahely tamin’i Lea: Veloma hianao, mba anomezo ahy kely ny dodaiman’ny zanakao.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

14 Ary nivoaka nitsangantsangana Robena tamin'ny andro fijinjam-bary ka nahita dodaima naniry tany an-tsaha, dia nitondra azy ho any amin'i Lea reniny. Ary hoy Rahely tamin'i Lea: Veloma ianao, mba anomezo ahy kely ny dodaiman'ny zanakao.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

14 Ary nandeha nitsangantsangana i Robena tamin’ny fotoana fijinjam-barimbazaha dia nahita dodaima tany an-tsaha ka nitondra azy ho any amin’i Lea reniny. Ary hoy Rahely tamin’i Lea: Mba anomezo amin’ny dodaiman’ny zanakao re aho!

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 30:14
5 Rohy Ifampitohizana  

ka nangataka taminy hoe: –Mba omeo kely amin’io sakafo efa menafify io aho fa reraka. (Izany no niantsoana azy tamin’ny anaram-bositra hoe Edôma na Ilaimena).


Fa novalian’i Leà hoe: –Moa tsy ampy anao ve ny nakanao ny vadiko ka tianao halaina koa ankehitriny ny mandragôran-janako? Dia hoy i Rahely hoe: –Aleo àry handry any aminao i Jakôba anio alina ho takalon’ny mandragôran-janakao.


Rehefa tonga avy tany an-tsaha i Jakôba ny hariva, dia nivoaka hitsena azy i Leà sady nanao taminy hoe: –Ato amiko no handrianao anio ho takalon’ny mandragôran-janako. Dia nandry tany aminy i Jakôba iny alina iny.


Hankany an-tanimboaloboka isika, dieny vao maraina ny andro, hijery raha mitsimoka ny voaloboka na efa mivelatra ny voniny, ary mamelana ny ampongabendanitra. Any no hanomezako safosafo anao.


mifanolotra amin’ny faritanin’i Simehôna ny anjaran’i Jisakara,


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra