Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 29:11 - DIEM PROTESTANTA

11 Dia nanoroka an’i Rahely i Jakôba sady nitomany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

11 Ary nanoroka an’i Rahely i Jakoba dia nigogogogo nitomany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

11 Dia nanoroka an’i Rahely i Jakôba sady nitomany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

11 ary i Jakôba nanoroka an-dRasela, dia nanandratra ny feony ka nitomany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

11 Ary Jakoba nanoroka an-dRahely, dia nanandrata ny feony ka nitomany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

11 Ary Jakoba nanoroka an-dRahely, dia nanandrata ny feony ka nitomany.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 29:11
10 Rohy Ifampitohizana  

Taorian’izany, dia hoy i Itsehàka rainy taminy: –Manatòna kely hoe ny zanako ka manoroha ahy!


Ary rehefa nahita an’i Rahely zanakavavin’i Labàna anadahin-dreniny sy ireo ondry aman’osiny i Jakôba, dia nanatona nanaisotra ny vato teo amin’ny vava fantsakana, ka nampisotro ireo ondry aman’osin’ny anadahin-dreniny.


Rehefa nandre ny amin’i Jakôba zanak’anabaviny kosa i Labàna, dia nihazakazaka nitsena azy, ka namihina sady nanoroka azy ary nitondra azy ho any an-tranony. Notantarain’i Jakôba tamin’i Labàna avokoa ny zava-nitranga,


Dia nihazakazaka nitsena azy i Hesao, ka namihina ny vozony sady nanoroka azy; ary niara-nitomany izy mirahalahy.


Feno loatra ny fon’i Jôsefa nahita ity zandriny ka nitady hitomany izy; dia niala faingana teo izy ka niditra tao amin’ny efitranony ary nitomany tao.


Mafy loatra anefa ny tomanin’i Jôsefa ka ren’ny Ejiptianina maro, ary heno hatrany an-dapan’ny Farao.


Dia niainga hitsena azy i Mosesy, niankohoka teo anatrehany sady nanoroka azy. Ary rehefa avy nifampiarahaba izy dia niditra tao an-dain’i Mosesy.


Dia niteny tamin’i Aharôna ny TOMPO hoe: –Mandehana mankany an-taniefitra hitsena an’i Mosesy. Dia nandeha i Aharôna ary nifanehatra taminy tao an-tendrombohitr’Andriamanitra, ka nanoroka azy.


Mifanaova veloma amin’ny fanoroham-pihavanana. Manao veloma anareo avokoa ny Fiangonan’i Kristy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra