Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 27:35 - DIEM PROTESTANTA

35 Fa namaly i Itsehàka hoe: –Tonga teto ny rahalahinao namitaka ahy, ka lasany ny tsodrano tokony ho anao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

35 Hoy rainy: Tonga teo ny rahalahinao nisandoka ka nahalasa ny tsodranonao.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

35 Fa namaly i Itsehàka hoe: –Tonga teto ny rahalahinao namitaka ahy, ka lasany ny tsodrano tokony ho anao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

35 Fa hoy i Isaaka: «Tonga ny rahalahinao nanao an-kafetsena ka lasany ny tso-dranonao.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

35 Ary hoy rainy: Tonga ny rahalahinao nanandoka ka nahalasa ny tso-dranonao.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

35 Ary hoy rainy: Tonga ny rahalahinao nanandoka ka nahalasa ny tso-dranonao.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 27:35
10 Rohy Ifampitohizana  

Dia nangovitra fatratra i Itsehàka, ka nanontany hoe: –Fa iza àry ilay nihaza, dia nitondra ny hazany teto amiko ka nihinanako talohan’ny nahatongavanao? Izy no efa notsofiko rano; eny, hotahîna tokoa izy.


Nony maraina vao gaga i Jakôba fa hay i Leà no tao aminy, ka hoy izy tamin’i Labàna: –Inona izao nataonao tamiko izao? Fa angaha tsy i Rahely no nanompoako anao, koa nahoana ianao no namitaka ahy?


Koa ankehitriny, vorio eto amiko avokoa ny mpaminanin’i Bahala sy ny mpivavaka aminy ary ny mpisorony; aza avela hisy tsy ho tonga na dia iray aza, fa hanao fety lehibe hanaovan-tsorona amin’i Bahala aho. Koa izay rehetra tsy tonga dia hatao maty. Kanjo hafetsena no nanaovan’i Jehò izany mba handringanana ireo mpivavaka amin’i Bahala.


Fanompoana an’Andriamanitra ve no anaovanareo lahateny tsy mitombina? Fimasoana Azy ve no ilazanareo fitaka?


Samy mamitaka ny namany izy fa tsy misy milaza ny marina, satria efa zatra mandainga. Nironany loatra ny fanaovan-dratsy ka tsy afaka hiverina amiko intsony izy.


Tsy tokana va ny raintsika rehetra? Tsy Andriamanitra iray va no nahary antsika? Koa nahoana no mivadika amin’ny namantsika avy isika, ka manimbazimba ny fanekempihavanana nifanaovan’Andriamanitra tamin’ireo razantsika?


Izahay mitondra izany raki-tsoa izany kosa dia toy ny vilany tany ihany, mba hahitana tsara fa izao hery tsy manan-tsahala izao dia an’Andriamanitra fa tsy anay.


ka amin’izany raharaham-panambadiana izany, dia aoka tsy hisy olona hanao ny tsy rariny amin’ny namany na hifetsy azy. Araka ny efa voalazanay taminareo sy nameperanay mafy anareo, dia hofaizin’ny Tompo izay manao ireny karazan-javatra ireny.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra