Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 27:22 - DIEM PROTESTANTA

22 Nanatona an’Itsehàka rainy i Jakôba ka notsapainy, ary nilazany hoe: –Ny feony dia feon’i Jakôba, nefa ny tanany kosa dia tanan’i Hesao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

22 Dia nanatona an’Isaka rainy i Jakoba; ary nitsapa azy izy ka niteny hoe: Ny feo dia feon’i Jakoba fa ny tanana dia tanan’i Esao.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

22 Nanatona an’Itsehàka rainy i Jakôba ka notsapainy, ary nilazany hoe: –Ny feony dia feon’i Jakôba, nefa ny tanany kosa dia tanan’i Hesao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

22 Dia nanatona an-drainy i Jakôba; ka hoy i Isaaka nony nitsapa azy: «Ny feony dia feon’i Jakôba, fa ny tanany dia tanan’i Esao.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

22 Ary Jakoba nanatona an’Isaka rainy, ary izy dia nitsapa azy ka nanao hoe: Ny feo dia feon’i Jakoba, fa ny tànana dia tànan’i Esao.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

22 Ary Jakoba nanatona an'Isaka rainy, ary izy dia nitsapa azy ka nanao hoe: Ny feo dia feon'i Jakoba, fa ny tanana dia tànan'i Esao.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

22 Dia nanatona an’Isaka rainy i Jakoba; ary nitsapa azy izy ka niteny hoe: Ny feo dia feon’i Jakoba fa ny tanana dia tanan’i Esao.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 27:22
4 Rohy Ifampitohizana  

Koa raha mitsapa ahy ny raiko, dia ho fantany fa mamitaka azy aho; ka hahatonga ozona amiko fa tsy tsodrano izany.


Dia hoy i Itsehàka tamin’i Jakôba: –Manatòna kely hoe, anaka, hitsapako anao mba hahafantarako raha i Hesao zanako tokoa ianao na tsia.


Tsy fantatr’i Itsehàka i Jakôba, satria rakotra volo toy ny tanan’i Hesao rahalahiny ny sandriny. Kanefa talohan’ny hitsofany rano azy,


Fony izy dimy lahy teo akaikin’ny tranon’i Mikà, dia nandre ilay zatovo levita ka nahafantatra ny fomba fiteniny ary nanatona azy ka nanontany hoe: –Iza no nitondra anao amin’itony toerana itony ary inona no ataonao atỳ? Inona no mitazona anao atỳ?


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra