Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 26:22 - DIEM PROTESTANTA

22 Koa niala tao izy ary nampandavaka fantsakana hafa indray; fa tsy mba niadian’ireo kosa io ka nantsoin’i Itsehàka hoe Rehôbôta na Fahalalahana, satria hoy izy hoe: «Ankehitriny ny TOMPO dia efa nanome toera-malalaka ho antsika mba hahazoantsika fahombiazana eto amin’ity tany ity.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

22 Dia nifindra niala teo izy ka nihady lavaka fantsakana hafa indray, fa io kosa tsy mba niadiana; koa ny anarany dia nataony hoe Rehobota; fa hoy izy: Nomen’NY TOMPO toerana malalaka isika ankehitriny, dia hihamaro eto amin’ny tany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

22 Koa niala tao izy ary nampandavaka fantsakana hafa indray; fa tsy mba niadian’ireo kosa io ka nantsoin’i Itsehàka hoe Rehôbôta na Fahalalahana, satria hoy izy hoe: «Ankehitriny ny TOMPO dia efa nanome toera-malalaka ho antsika mba hahazoantsika fahombiazana eto amin’ity tany ity.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

22 Dia niala teo izy ka nihady lavaka fantsakana hafa indray, izay vao tsy niadiana intsony, ka nataony hoe Rekôbôta ny anarany: Satria, hoy izy, efa nomen’i Iaveh toera-malalaka isika, ka hiadana amin’ny tany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

22 Dia nifindra niala teo izy ka nihady lavaka fantsakana hafa koa indray; fa io kosa tsy mba niadiany; koa ny anarany dia nataony hoe Rehobota; fa hoy izy: Efa nomen’i Jehovah toerana malalaka isika ankehitriny, dia hihamaro eo amin’ny tany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

22 Dia nifindra niala teo izy ka nihady lavaka fantsakana hafa koa indray; fa io kosa tsy mba niadiany; koa ny anarany dia nataony hoe Rehobota; fa hoy izy: Efa nomen'i Jehovah toerana malalaka isika ankehitriny, dia hihamaro eo amin'ny tany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

22 Dia nifindra niala teo izy ka nihady lavaka fantsakana hafa indray, fa io kosa tsy mba niadiana; koa ny anarany dia nataony hoe Rehobota; fa hoy izy: Nomen’NY TOMPO toerana malalaka isika ankehitriny, dia hihamaro eto amin’ny tany.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 26:22
11 Rohy Ifampitohizana  

Hataoko maro taranaka fatratra ianao ka hanjary firenena maro, sady hisy mpanjaka hipoitra avy aminao.


Dia nihady lavaka fantsakana hafa koa ireo mpanompon’i Itsehàka, nefa nilàn’ireo sotasota indray. Io fantsakana io dia nantsoina hoe Sitnà, izany hoe Sotasota.


Hitahy anao anie ilay Andriamanitra Tsitoha, ka hanome taranaka maro mba hahatonga anao ho razamben’ny firenena maro


Nantsoiny hoe Efraîma kosa ny faharoa, fa hoy izy hoe: «Andriamanitra efa nampahamaro anaka ahy teto amin’ity tany nijalijaliako ity.»


Tao an-katerena aho no niantso ny TOMPO, ka novaliany aho, nomeny halalahana.


Ny didinao no sori-dalana ihazakazahako, satria nosokafanao ny saiko.


Tamin’ny androm-pahoriako no nanafika ahy ireo nefa tonga ny TOMPO ka nanohana ahy;


Tao amin’ny tahirin-kiran’ny ilohan’antoko-mpihira. Hampiarahina amin’ny valiha. Salamo nataon’i Davida.


Taorian’izany dia niteraka betsaka ny Israelita ka nihamaro fatratra sady nihanahery tokoa ka nameno ny tany.


Halalaho ny faritry ny lay fonenanao, asio fanitarana ny ambain’ny lainao, ka aza anaovana fitsitsiana. Halavao ny tadin-dainao ka hamafiso ny tsatòka,


satria miely miankavanana sy miankavia ianao: ny taranakao hahazo indray ny tanin’ny firenen-kafa, ary koa hipetraka indray amin’ireo tanànanao efa haolo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra