Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 21:3 - DIEM PROTESTANTA

3 Nataon’i Abrahama hoe Itsehàka ny anaran’ilay zazalahy naterak’i Sarà ho azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

3 Ary ny anaran’ny zanany vao teraka, ilay naterak’i Saraha taminy, dia nataon’i Abrahama hoe Isaka.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

3 Nataon’i Abrahama hoe Itsehàka ny anaran’ilay zazalahy naterak’i Sarà ho azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

3 Ary ny anaran’ilay zaza teraka taminy, naterak’i Sarà taminy, dia nataon’i Abrahama hoe Isaaka.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

3 Ary ny anaran’ny zanany izay teraka, ilay naterak’i Saraha taminy, dia nataon’i Abrahama hoe Isaka.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

3 Ary ny anaran'ny zanany izay teraka, ilay naterak'i Saraha taminy dia nataon'i Abrahama hoe Isaka.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

3 Ary ny anaran’ny zanany vao teraka, ilay naterak’i Saraha taminy, dia nataon’i Abrahama hoe Isaka.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 21:3
11 Rohy Ifampitohizana  

Fa namaly Andriamanitra hoe: –Tsia, fa i Sarà vadinao dia hiteraka zazalahy ho anao ka ny anarany hataonao hoe Itsehàka. Hotanako ny fanekempihavanako aminy sy amin’ny taranany mandimby azy ho fanekempihavanana maharitra mandrakizay.


Fa ny fanekempihavanako kosa dia haoriko amin’i Itsehàka, izay haterak’i Sarà ho anao amin’ny herintaona toy izao.


Nefa hoy Andriamanitra tamin’i Abrahama: –Aza malahelo ny amin’ny zazalahy sy ny mpanompovavinao, fa ekeo izay rehetra nolazain’i Sarà taminao; amin’ny alalan’i Itsehàka manko no hisian’ny taranaka hitondra ny anaranao.


Dia nilaza i Sarà hoe: –Nanao izay nampihomehy ahy Andriamanitra, ary izay rehetra mandre ny momba an’i Itsehàka dia hihomehy miaraka amiko.


Dia hoy Andriamanitra hoe: –Ento i Itsehàka zanakao lahitokana izay tianao; dia mandehana any amin’ny tany Môrià eo ambonin’ny tendrombohitra anankiray izay holazaiko anao, ka atolory ho sorona dorana eo izy.


Izao no tantaran’i Itsehàka: I Itsehàka dia zanakalahin’i Abrahama.


I Abrahama no ray niteraka an’i Itsehàka, i Itsehàka, ray niteraka an’i Jakôba; i Jakôba, ray niteraka an’i Joda mirahalahy avy.


Ary nanao fanekempihavanana tamin’i Abrahama Andriamanitra ka ny famorana no famantarana izany. Dia izany no namoran’i Abrahama an’i Itsehàka zanany rehefa niherina ny andro niterahany azy, sy namoran’i Itsehàka an’i Jakôba, ary namoran’i Jakôba an’ireo razambe 12 mirahalahy.


ary tsy izay rehetra zanak’i Abrahama no tena taranany, fa hoy Andriamanitra tamin’i Abrahama hoe: «Avy amin’i Itsehàka no hiantsoana taranaka ho anao!»


sy nilazany hoe: «Avy amin’i Itsehàka no hiantsoana taranaka ho anao.»


Fa Izaho no naka an’i Abrahama razambenareo avy tany am-pitan’ny ony Eofrata ary nitondra azy namakivaky ny tany Kanahàna manontolo sady nampahamaro ny taranany. Nomeko ho zanakalahin’i Abrahama i Itsehàka,


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra