Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 20:13 - DIEM PROTESTANTA

13 Rehefa nasain’Andriamanitra nandao ny tranon-draiko aho, dia hoy aho tamin’ny vadiko: «Izao no rohim-pihavanana hampiasainao amiko: Any amin’ny toerana rehetra izay halehantsika dia lazao hoe anadahinao aho.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

13 Ary raha nampifindrafindra ahy hiala tamin’ny tranon’ny raiko Andriamanitra dia hoy aho tamin’ny vadiko: Izao no soa hataonao amiko any amin’izay tany rehetra halehantsika, dia ny filazanao ahy hoe: Anadahiko izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

13 Rehefa nasain’Andriamanitra nandao ny tranon-draiko aho, dia hoy aho tamin’ny vadiko: «Izao no rohim-pihavanana hampiasainao amiko: Any amin’ny toerana rehetra izay halehantsika dia lazao hoe anadahinao aho.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

13 Nony nampivezivezen’Andriamanitra lavitra ny tranon’ikaky aho, dia hoy aho tamin’i Sarà: Izao no fitia angatahiko hataonao amiko: Any amin’izay tany rehetra hahatongavantsika any aho lazao hoe: Anadahiko io.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

13 Ary raha nampifindrafindra ahy hiala tamin’ny tranon’ny raiko Andriamanitra, dia hoy izaho tamin’ny vadiko: Izao no soa hataonao amiko any amin’izay tany rehetra halehantsika dia lazao aho hoe: Anadahiko izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

13 Ary raha nampifindrafindra ahy hiala tamin'ny tranon'ny raiko Andriamanitra, dia hoy izaho tamin'ny vadiko: Izao no soa hataonao amiko any amin'izay tany rehetra halehantsika dia lazao aho hoe: Anadahiko izy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

13 Ary raha nampifindrafindra ahy hiala tamin’ny tranon’ny raiko Andriamanitra dia hoy aho tamin’ny vadiko: Izao no soa hataonao amiko any amin’izay tany rehetra halehantsika, dia ny filazanao ahy hoe: Anadahiko izy.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 20:13
10 Rohy Ifampitohizana  

Hoy ny TOMPO tamin’i Abrama: –Mialà amin’ny taninao sy ny fianakavianao ary ny tranon-drainao ka mankanesa any amin’ny tany izay hasehoko anao.


Dia nandeha i Abrama ka nifindrafindra toby nihazo ny faritra atsimo.


Marina ihany anefa fa anabaviko izy, iray ray izahay; saingy tsy iray reny amiko izy, ka izany no nahatonga azy ho vadiko.


Moa tsy Abrahama va no nilaza tamiko an’i Sarà hoe anabaviny? Ary moa tsy ravehivavy io va no nilaza tamiko an’i Abrahama hoe anadahiny? Koa tamin’ny fo tsotra sy tanana madio no nanaovako izany.


miafina izy mikendry ny olo-mahitsy, dia mitifitra tampoka, tsy miahotrahotra.


Ary hoy i Petera taminy: –Nahoana no dia niray tetika nizaha toetra ny Fanahin’ny Tompo ianareo? Mby eo an-tokonam-baravarana izao ireo zatovo avy nandevina ny vadinao, ka hoentiny halevina koa ianao.


Finoana no naneken’i Abrahama fony izy nantsoin’Andriamanitra hiainga ho any amin’ny tany izay horaisiny ho lova; ka nandao ny tany nahabe izy, nefa tsy fantany izay halehany.


Dia hoy i Saoly hoe: –Hitahy anareo anie ny TOMPO noho izao fiahianareo ahy izao!


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra