Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 19:20 - DIEM PROTESTANTA

20 Indro eto misy tanàna kely akaiky azo andosirana tsara, ka avelao aho hialoka ao. Tsy zavatra bitika ve io angatahiko io, dia ho voavonjy ny aiko?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

20 Fa indro, misy vohitra itsy, izay akaiky handosirana sady kely! Miangavy Anao re aho, aoka handositra ao aho; tsy kely va izy io? Dia ho velona aho.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

20 Indro eto misy tanàna kely akaiky azo andosirana tsara, ka avelao aho hialoka ao. Tsy zavatra bitika ve io angatahiko io, dia ho voavonjy ny aiko?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

20 Jereo fa misy tanàna akaiky hialofako itsy, sady tanàna kely foana, ka aoka re mba ho ao aho no handositra, fa kely rahateo io, dia ho velona aho.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

20 indro, io vohitra io dia akaiky handosirana sady kely; masìna hianao, aoka handositra ao aho (tsy kely va izy io?), dia ho velona ny aiko.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

20 indro, io vohitra io dia akaiky handosirana sady kely; masìna ianao, aoka handositra ao aho (tsy kely va izy io?), dia ho velona ny aiko.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 19:20
9 Rohy Ifampitohizana  

Koa aoka holazainao amin’ireo fa anabaviko ianao mba horaisiny tsara aho noho ny aminao, ary hovelominy noho ny aminao!


Marina fa nahita fitia teo imasonao aho ary lehibe ny famindramponao tamiko tamin’ny namonjenao ny aiko. Kanefa tsy ho afaka mandositra hatrany an-tendrombohitra akory aho, dia ho tratry ny loza ka ho faty.


Ka hoy ilay anjely anankiray hoe: –Eny àry, fa efa nekeko koa ny fangatahanao ka tsy hokasihiko ny tanàna izay voalazanao.


Natahotra ny hijanona tao Tsôhara i Lôta, koa nandao ny tanàna mba handeha honina any an-tendrombohitra. Niaraka taminy koa ny zanany roa vavy; ary nipetraka tao amin’ny zohy izy telo mianaka.


Veloma anie ny aiko hiderako Anao; ary hanampy ahy anie ny fitsipikao!


Mankanesa atỳ amiko ianareo, ka manongilàna sofina; henoy Aho, dia ho velombelona indray ny tenanareo. Hanaovako fanekempihavanana mandrakizay ianareo ka homeko ny fitahiana nampanantenaiko an’i Davida:


Fa hoy i Jeremià taminy: –Tsia, tsy hisy hanolotra anao aminy fa ankatoavy ny tenin’ny TOMPO izay lazaiko aminao, dia ho tsara aminao ny toe-javatra ary ho velona ny ainao.


Tsofina ao an-tanàna ve ny trompetra, ka tsy hisahotaka ny vahoaka? Misy loza ve ao an-tanàna, raha tsy ny TOMPO no nanao azy?


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra