Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 17:5 - DIEM PROTESTANTA

5 Tsy hatao hoe Abrama intsony ny anaranao fa hanjary Abrahama, satria hataoko razamben’ny firenena maro ianao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

5 Ary ny anaranao dia tsy hatao hoe Abrama intsony fa hatao hoe Abrahama, satria nataoko rain’ny firenena maro ianao.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

5 Tsy hatao hoe Abrama intsony ny anaranao fa hanjary Abrahama, satria hataoko razamben’ny firenena maro ianao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

5 ary ny anaranao dia tsy hatao hoe Abrama intsony, fa hatao hoe Abrahama, satria hataoko rain’ny firenena tsy hita isa ianao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

5 Ary ny anaranao tsy hatao hoe Abrama intsony, fa hatao hoe Abrahama, satria efa nataoko ho rain’ny firenena maro hianao.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

5 Ary ny anaranao tsy hatao hoe Abrama intsony, fa hatao hoe Abrahama, satria efa nataoko ho rain'ny firenena maro ianao.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

5 Ary ny anaranao dia tsy hatao hoe Abrama intsony fa hatao hoe Abrahama, satria nataoko rain’ny firenena maro ianao.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 17:5
16 Rohy Ifampitohizana  

Dia hoy koa Andriamanitra tamin’i Abrahama: –I Saray vadinao dia tsy hantsoina intsony hoe Saray; fa hatao hoe Sarà ny anarany.


Dia nanontany izy hoe: –Iza moa no anaranao? Ka hoy ny navaliny azy: –Jakôba.


Dia nanohy ny teniny izy hoe: –Tsy hantsoina hoe Jakôba intsony ianao fa hatao hoe Israely, satria efa nitolona tamin’Andriamanitra sy tamin’ny olona ianao ka nandresy.


ary nitenany hoe: –I Jakôba no anaranao; nefa tsy hatao hoe Jakôba intsony ianao fa hatao hoe Israely. Dia nataon’Andriamanitra hoe Israely ny anarany;


ka naniraka an’i Natàna mpaminany hanome azy anarana hoe Jedidià, izany hoe: «Tiavin’ny TOMPO».


i Tera no rain’i Abrama izay hantsoina koa hoe Abrahama.


Ianao no TOMPO Andriamanitra, Izay nifidy an’i Abrama ka nampiala azy tao Ora any Kaldea sy nanome anarana azy hoe Abrahama.


Eo amin’ny olom-boafidiko dia hatao ohatra ny anaranareo amin’ny fomba fanozonana toy izao: «Hovonoin’ny Tompo ANDRIANANAHARY tahaka an-dRanona na Ranona anie ianao!» Ho fanasoavana ny mpanompoko kosa dia anarana hafa no hotononina aminy.


Nony ampitso vao novahan’i Pasehora, teo amin’ny tsatòka i Jeremià. Ary hoy i Jeremià taminy: –Tsy i Pasehora intsony no anarana hiantsoan’ny TOMPO anao fa Magôra-Misabiba, izany hoe «Fihorohoroana hatraiza hatraiza».


Amin’ny andro hanjakany no hamonjena an’i Joda sy hiainan’i Israely am-pilaminana. Izao no anarana hiantsoana azy: ‹Ny TOMPO no Fahamarinantsika.›


Ireo no anaran’ny lehilahy nalefan’i Mosesy hisafo ny tany Kanahàna. Nataon’i Mosesy hoe Josoa i Hôsea zanakalahin’i Nona.


Dia nentin’i Andrea nankany amin’i Jesoa i Simôna; ary nony nijery azy i Jesoa, dia nanao hoe: –Ianao no Simôna, zanakalahin’i Jônà! Hantsoina hoe Kefasy ianao (izany hoe Petera na hoe Vato, raha adika)!


araka ny voalazan’ny Soratra Masina hoe: «Nahatonga anao ho raim-pirenena maro Aho.» Eny, raintsika rehetra izy eo anatrehan’ilay Andriamanitra ninoany, dia ilay Andriamanitra mamelona ny maty sy mampisy ny tsy misy.


«Izay manan-tsofina, aoka hihaino izay lazain’ny Fanahy Masina amin’ireo Fiangonana. «Izay maharesy dia homeko mana miafina sady homeko vato fotsy; ary eo amin’io vato io dia misy anaram-baovao voasoratra, izay tsy fantatr’olona afa-tsy izay mandray azy ihany.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra