Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Ezra 1:8 - DIEM PROTESTANTA

8 I Mitredata, mpitahiry ny harem-panjakana, no nasainy namoaka ireny fanaka ireny sy nanisa azy ary nanolotra azy tamin’i Sesebatsàro, taranaky ny mpanjakan’i Joda.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

8 Ary nasain’i Kirosy mpanjakan’i Persia namoaka ireny i Mitredata mpitahiry ny harenan’ny fanjakana dia nisainy sady natolony an’i Sesbazara, lehiben’ny fokon’i Joda.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

8 I Mitredata, mpitahiry ny harem-panjakana, no nasainy namoaka ireny fanaka ireny sy nanisa azy ary nanolotra azy tamin’i Sesebatsàro, taranaky ny mpanjakan’i Joda.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

8 Napetrak’i Sirosa mpanjakan’i Persa tao am-pelatanan’i Mitridata mpitahiry vola izany, ary izy no nanolotra azy, rahefa nisainy, tamin’i Sasabasara, filohan’i Jodà.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

8 Ary Mitredata, mpitahiry ny haren’ny fanjakana, dia nasain’i Kyrosy, mpanjakan’i Persia, namoaka ireny, ka nisainy sady natolony an’i Sesbazara, lehiben’ny firenen’i Joda.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

8 Ary Mitredata, mpitahiry ny haren'ny fanjakana, dia nasain'i Kyrosy, mpanjakan'i Persia; namoaka ireny, ka nisainy sady natolony an'i Sesbazara, lehiben'ny firenen'i Joda.

Jereo ny toko dika mitovy




Ezra 1:8
10 Rohy Ifampitohizana  

Ny isan’ny fanaka volamena sy volafotsy rehetra dia 5 400; ka nentin’i Sesebatsàro ireo, fony niakatra avy tany Babilôna ho any Jerosalema ny voasesitany.


ireo no nandeha niaraka tamin’ireto mpitarika azy ireto, dia ry i Zerobabela, i Jesoa, i Nehemià, i Seraià, i Relaià, i Môrdôkay, i Bilsàna, i Mispara, i Bigvay, i Rehoma, ary i Bahanà. Izao kosa no isan’ny vatan-dehilahy tao anatin’izany andian’Israelita izany:


Navoakan’i Kirôsa tao amin’ny tempoli-tsampy koa ireo fanaka ireo ka natolony an’ilay atao hoe Sesebatsàro izay notendreny ho governoran’i Joda;


Dia tonga tao Jerosalema i Sesebatsàro ka nandatsaka ny fototr’ilay tranon’Andriamanitra; ary hatramin’izany andro izany ka mandraka ankehitriny dia natao ihany izy saingy tsy mbola vita.›


Dia niroso niasa indray i Zerobabela, zanakalahin’i Sealtiela, sy i Jesoa, zanakalahin’i Jôtsadaka, mba hanorina ny tranon’Andriamanitra ao Jerosalema ary nanampy azy roa lahy koa ireo mpaminanin’Andriamanitra.


Hoy ny TOMPO hoe: «Hirotsaka an-tsehatra hamely an’i Bela andriamanitr’i Babilôna Aho, hasaiko haloany izay nateliny. Hitsahatra tsy hitanjozotra ho any aminy ireo firenen-kafa. Nirodana ny mandan’i Babilôna!


Tamin’ny taona faharoa nanjakan’i Dariôsa, fony andro voalohan’ny volana fahenina, dia nisy tenin’ny TOMPO tamin’ny alalan’i Hagay mpaminany. Hafatra ho an’ny governoran’i Joda, dia i Zerobabela zanakalahin’i Sealtiela, sy ho an’i Josoa mpisorombe zanakalahin’i Jôtsadaky izany ka nanao hoe:


Dia notairin’ny TOMPO ny risi-pon’i Zerobabela governoran’i Joda sy ny an’i Josoa mpisorombe ary ny an’izay rehetra tafaverina avy any an-tsesitany; ary dia rafitra ireo nanao ny tranon’ilay TOMPOn’izao rehetra izao sady Andriamaniny,


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra