Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Estera 9:20 - DIEM PROTESTANTA

20 Dia nanoratra ny tantaran’izany zava-nitranga izany i Môrdôkay, ary nampitondra taratasy ho any amin’ny Jiosy rehetra izay nonina tany amin’ny faritany isan-tokony, na akaiky na lavitra, manerana ny fanjakan’ny amperôra Kserksesa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

20 Ary nanoratra ny amin’izany zavatra izany i Mordekay sady nampitondra taratasy ho any amin’ny Jiosy rehetra izay tany amin’ny fari-piadidiana rehetra manerana ny fanjakan’i Ahasoerosy mpanjaka, na ny akaiky na ny lavitra,

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

20 Dia nanoratra ny tantaran’izany zava-nitranga izany i Môrdôkay, ary nampitondra taratasy ho any amin’ny Jiosy rehetra izay nonina tany amin’ny faritany isan-tokony, na akaiky na lavitra, manerana ny fanjakan’ny amperôra Kserksesa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

20 ARY Mordekay nanoratra ny amin’izany zavatra izany sady nampitondra taratasy ho any amin’ny Jiosy rehetra izay tany amin’ny isan-tokony eran’ny fanjakan’i Ahasoerosy mpanjaka, na ny akaiky na ny lavitra,

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

20 Ary Mordekay nanoratra ny amin'izany zavatra izany sady nampitondra taratasy ho any amin'ny Jiosy rehetra izay tany amin'ny isan-tokony eran'ny fanjakan'i Ahasoerosy mpanjaka, na ny akaiky na ny lavitra,

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

20 Ary nanoratra ny amin’izany zavatra izany i Mordekay sady nampitondra taratasy ho any amin’ny Jiosy* rehetra izay tany amin’ny fari-piadidiana rehetra manerana ny fanjakan’i Ahasoerosy mpanjaka, na ny akaiky na ny lavitra,

Jereo ny toko dika mitovy




Estera 9:20
16 Rohy Ifampitohizana  

Ry taranak’i Israely mpanompony sady terak’i Jakôba voafidiny, tsarovy ny asa mahagaga nataony, dia ny zava-mahatalanjona vitany sy ny didim-pitsarana navoakany.


Ity tantara ity dia nitranga tamin’ny andron’ny amperôra Kserksesa, izay nanjaka tamina faritany 127 hatreo India ka hatrany Etiôpia.


Nandefasany taratasy ny faritany rehetra manerana ny fanjakany, dia taratasy araka ny fomba fiteny sy fanoratry ny firenena isan-tokony; notakina mba ho masi-mandidy ao an-tranony avy ny lehilahy rehetra ary mba ho ny fitenim-pireneny no hampisain’ny ankohonany.


Tamin’ny volana voalohany, andro faha-13, dia nantsoina ireo mpitantsoratry ny amperôra: Araka izay rehetra nandidian’i Hamàna no nanoratany taratasy ho an’ny solotenan’ny amperôra sy ho an’ny governora isam-paritany ary ho an’ny mpitondra isam-pirenena, dia taratasy araka ny fomba fiteny sy fanoratry ny firenena isan-tokony. Tamin’ny anaran’i Kserksesa no nanasoniavana azy ka nasiana tombokase tamin’ny peratry ny amperôra.


Tamin’io andro io, andro faha-23 tamin’ny volana fahatelo na volana Sivàna, dia nantsoina ny mpitantsoratry ny amperôra. Araka izay rehetra nandidian’i Môrdôkay no nanoratany taratasy ho an’ny Jiosy sy ny solotenan’ny amperôra mbamin’ny governora sy mpitondra any amin’ny faritany 127 hatreo India ka hatrany Etiôpia. Taratasy araka ny fomba fiteny sy fanoratry ny firenena isan-tokony na araka ny fomba fiteny sy fanoratry ny Jiosy no nataony.


Koa, noho izany, ny Jiosy izay nitoetra tamin’ny tanàna madinika tany ambanivohitra dia nanao ny andro faha-14 amin’ny volana Adara ho firavoravoana sy fanasana ary fikoranana ka hifanateran-panomezana.


Niangavian’i Môrdôkay ry zareo mba hankalaza isan-taona ny andro faha-14 sy faha-15 amin’ny volana Adara.


Izany no iantsoana ireo andro ireo hoe «Porîma», avy amin’ny voambolana «Pora» izay midika hoe antsapaka. Ny zavatra rehetra izay raketin’io taratasy io ary koa izay hitan’ny Jiosy sy nihatra taminy


no nahatonga azy ireo hampijoro sy handraikitra izany fanao izany ho an’ny tenany sy ny taranany ary izay rehetra miray aminy: dia ny hankalaza isan-taona ireo andro roa ireo araka ny voasoratr’i Môrdôkay sy araka ny fotoana voatendry.


I Estera, mpanjakavavy sady zanak’i Abihaîla, ary koa i Môrdôkay ilay Jiosy dia nanoratra fanindroany tamim-pahefana tokoa mba hanamafy izany taratasy momba ny Porîma izany.


Ary hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Soraty ao amin’ny boky izany mba tsy hohadinoina; ary ambarao amin’i Josoa fa hofoanako tsy ho eto ambonin’ny tany mihitsy ny fahatsiarovana ny Hamalekita.


Nandefa taratasy avy tao Jerosalema i Jeremià mpaminany ho an’ireo loholona rehetra sy mpisorona ary mpaminany mbamin’ireo vahoaka rehetra izay nentin’i Nebokadnetsara ho babo avy tao Jerosalema hankany Babilôna. Ny nandefasana io taratasy io


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra