Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Estera 6:13 - DIEM PROTESTANTA

13 Dia nitantaran’i Hamàna ny zavatra nanjo azy i Zeresa vadiny sy ny sakaizany rehetra mpanolotsaina azy ka niteny taminy hoe: –Raha taranaky ny Jiosy i Môrdôkay izay efa niantomboka nandavo anao teo anatrehany, dia tsy haharesy azy mihitsy ianao fa ho lavo eo anatrehany tokoa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

13 Dia nolazain’i Hamana tamin’i Zaresy vadiny sy ny sakaizany rehetra izay zavatra nanjo azy. Ary hoy ny olon-kendry rehetra sy i Zaresy vadiny taminy: Raha avy amin’ny taranaky ny Jiosy i Mordekay izay efa nanomboka nandavo anao teo anatrehany dia tsy haharesy azy mihitsy ianao fa tsy maintsy ho lavo eo anatrehany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

13 Dia nitantaran’i Hamàna ny zavatra nanjo azy i Zeresa vadiny sy ny sakaizany rehetra mpanolotsaina azy ka niteny taminy hoe: –Raha taranaky ny Jiosy i Môrdôkay izay efa niantomboka nandavo anao teo anatrehany, dia tsy haharesy azy mihitsy ianao fa ho lavo eo anatrehany tokoa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

13 Dia nolazain’i Hamana tamin’i Zaresy vadiny sy ny sakaizany rehetra izay zavatra nanjo azy. Ary hoy ny olon-kendry rehetra sy Zaresy vadiny taminy: Raha avy amin’ny taranaky ny Jiosy Mordekay, izay efa niantomboka nandavo anao teo anatrehany, dia tsy haharesy azy mihitsy hianao, fa ho lavo eo anatrehany tokoa.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

13 Dia nolazain'i Hamana tamin'i Zaresy vadiny sy ny sakaizany rehetra izay zavatra nanjo azy. Ary hoy ny olon-kendry rehetra sy Zaresy vadiny taminy: Raha avy amin'ny taranaky ny Jiosy Mordekay, izay efa niantomboka nandavo anao teo anatrehany, dia tsy haharesy azy mihitsy ianao, fa ho lavo eo anatrehany tokoa.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

13 Dia nolazain’i Hamana tamin’i Zaresy vadiny sy ny sakaizany rehetra izay zavatra nanjo azy. Ary hoy ny olon-kendry rehetra sy i Zaresy vadiny taminy: Raha avy amin’ny taranaky ny Jiosy* i Mordekay izay efa nanomboka nandavo anao teo anatrehany dia tsy haharesy azy mihitsy ianao fa tsy maintsy ho lavo eo anatrehany.

Jereo ny toko dika mitovy




Estera 6:13
16 Rohy Ifampitohizana  

Notantarain’ilay mpanompo an’i Itsehàka avokoa ny zavatra rehetra izay nataony.


Ato anatin’ny telo andro dia hoesorin’ny Farao amin’ny toeram-boninahitrao ianao, ka hahantony amin’ny hazo; dia ho avy ny voro-manidina hihinana ny nofonao.


Nony maraina dia nampiantso ny mpimasy sy ny olon-kendry rehetra tao Ejipta ny Farao satria feno tebiteby. Notantarainy tamin’ireo ny nofiny, kanefa tsy nisy nahalaza ny heviny.


Mampatahotra azy ny fahoriana sy ny tebiteby izay mirohotra mianjady aminy tahaka ny mpanjaka ombàn-tafika vonon-kamely.»


Kabary efa mankaleo ahy izany reko izany: mpampionona mahasorena ianareo rehetra, dia ianareo izay manontany ahy hoe:


«Aza kasihina ireo voahosotro ary aza asian-dratsy ireo mpitondra hafatro.»


Izay mizotra tsy misy tsiny no ho voavonjy fa izay miolikolika fitondrantena no ho lavo tampoka.


Dia tezitra nisafoaka mafy noho izany rehetra izany ny mpanjaka, ka nanome baiko mba handringanana ny olon-kendry rehetra ao Babilôna.


Hataon’i Efraîma inona intsony izay sampy? Izaho TOMPO no mamaly vavaka azy sady mitandrina azy. Izaho no toy ny kipreso, hazo maitso mandavan-taona. Izaho no hahazoany vokatra.


Fa ny TOMPOn’izao rehetra izao, Ilay naniraka ahy tamim-pahefana, dia miteny amin’ireo firenena izay namabo anareo hoe: «Na zovy na zovy mikasika anareo, dia mikasika ny anakandriamasoko.


Mamita-mandry toy ny liona na tahakan’ny bibidia masiaka izy, koa zovy no sahy hanaitra azy? «Eny hotahîna anie izay hitsodrano anao, ry Israely, ary ho voaozona kosa anie izay hanozona anao!»


Tany an-taniefitra no nanangonany azy, dia tany amin’ny tany foana misy bibidia mierona. Koa nokarakarainy izy, nokolokoloiny, notandremany tahaka ny anakandriamasony.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra