Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Estera 5:11 - DIEM PROTESTANTA

11 Ary nambaran’i Hamàna tamin’ireo ny hareny miavosa sy ny zanany maro mbamin’ny voninahitra rehetra nomen’ny amperôra azy ka nanandratany azy ho ambonin’ireo andriambaventy sy mpandraharaha.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

11 Notanisain’i Hamana tamin’ireo ny haben’ny harenany sy ny hamaroan’ny zanany mbamin’izay voninahitra rehetra nomen’ny mpanjaka azy sy ny nanandratany azy ho ambony noho ny mpitondra sy ny mpanompon’ny mpanjaka.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

11 Ary nambaran’i Hamàna tamin’ireo ny hareny miavosa sy ny zanany maro mbamin’ny voninahitra rehetra nomen’ny amperôra azy ka nanandratany azy ho ambonin’ireo andriambaventy sy mpandraharaha.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

11 Ary nambaran’i Hamana tamin’ireo ny voninahitry ny hareny sy ny hamaroan’ny zanany mbamin’izay voninahitra rehetra nomen’ny mpanjaka azy sy ny nanandratany azy ho ambony noho ny mpanapaka sy ny mpanompon’ny mpanjaka.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

11 Ary nambaran'i Hamana tamin'ireo ny voninahitry ny hareny sy ny hamaroan'ny zanany mbamin'Izay voninahitra rehetra nomen'ny mpanjaka azy sy ny nanandratany azy ho ambony noho ny mpanapaka sy ny mpanompon'ny mpanjaka.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

11 Notanisain’i Hamana tamin’ireo ny haben’ny harenany sy ny hamaroan’ny zanany mbamin’izay voninahitra rehetra nomen’ny mpanjaka azy sy ny nanandratany azy ho ambony noho ny mpitondra sy ny mpanompon’ny mpanjaka.

Jereo ny toko dika mitovy




Estera 5:11
19 Rohy Ifampitohizana  

Kanefa ren’i Jakôba fa ny zanakalahin’i Labàna efa nilaza hoe: «Lasan’i Jakôba avokoa ny fananan-draintsika, ary avy tamin’izany fananan-draintsika izany no nananany izao harena rehetra izao.»


Nasehon’ny amperôra azy ny harena amam-boninahitry ny fanjakana ary ny harevaka aman-drentin’ny fahalehibiazany; ka enim-bolana no naharetan’izany lanonambe izany.


Tatỳ aorian’izany, dia nomen’ny amperôra Kserksesa laharana ambony i Hamàna zanakalahin’i Hamedatà sady taranak’i Agaga, ka nasandrany hipetraka eo amin’ny toerana maha praiminisitra.


Fony i Môrdôkay nivoaka ny lapa, dia akanjo lava vita rongony madinika miloko jaky no nanaovany, fanamiam-piandrianana fotsy sy volomparasy no nitafiany, ary satroboninahitra volamena lehibe no nisatrohany; koa faly sy ravo i Sosany iray vohitra.


Inona moa no hatahorako amin’ny andro fahoriana, raha manodidina ahy ny mpisompatra mandoza


izay mitoky amin’ny hareny miavosa sy mirehareha amin’ny fananam-beny?


«Indro ilay lehilahy mpiady, tsy nanao an’Andriamanitra ho heriny fa niantehitra tamin’ny harem-beny, nirehaka tamin’ny haratsiany.»


Fa hoy izy hoe: ‹Moa tsy mitovy lanja amin’ny mpanjaka ve ireo jeneraliko?


Niaraka tamin’izay dia tanteraka tamin’i Nebokadnetsara izany teny izany: Noroahina niala tamin’ny olombelona izy ka nihinana ahitra toy ny omby, ary kotsan’ny ando ny tenany, hany ka ny volon-dohany dia tonga lava toy ny an’ny voromahery ary ny hohony dia tonga nifaraingo toy ny an’ny vorona.


Gaga ny mpianatra noho izany teniny izany, kanefa dia mbola namerina ny teniny indray i Jesoa ka nanao taminy hoe: –Sarotra mihitsy, anaka, ny miditra ao amin’ny Fanjakàn’Andriamanitra.


Anaro ireo mpanankarena amin’izao fiainana ankehitriny izao mba tsy hiavonavona ary mba tsy hametraka ny fanantenany amin’ny harena tsy mateza, fa amin’Andriamanitra Izay manome antsika ny zavatra rehetra be dia be hifaliantsika.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra