Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 5:17 - DIEM PROTESTANTA

17 Fa novalian’ny Farao hoe: –Olona tena kamo mihitsy ianareo! Izany no antony nilazanareo hoe: «Handeha hanao sorona ho an’ny TOMPO izahay.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

17 Fa hoy i Farao: Olona kamo ianareo, olona kamo! Koa izany no itenenanareo hoe: Aoka izahay handeha hamono zavatra hatao fanatitra ho an’NY TOMPO!

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

17 Fa novalian’ny Farao hoe: –Olona tena kamo mihitsy ianareo! Izany no antony nilazanareo hoe: «Handeha hanao sorona ho an’ny TOMPO izahay.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

17 Fa hoy kosa i Faraôna: «Olona kamo ianareo; olona kamo! Ka izany no ilazanareo hoe: Maniry ta-handeha hanolotra sorona amin’i Iaveh izahay.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

17 Fa hoy Farao: Malaina dia malaina hianareo, ka izany no anaovanareo hoe: Aoka handeha izahay hamono zavatra hatao fanatitra ho an’i Jehovah.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

17 Fa hoy Farao: Malaina dia malaina ianareo, ka izany no anaovanareo hoe: Aoka handeha izahay hamono zavatra hatao fanatitra ho an'i Jehovah.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

17 Fa hoy i Farao: Olona kamo ianareo, olona kamo! Koa izany no itenenanareo hoe: Aoka izahay handeha hamono zavatra hatao fanatitra ho an’NY TOMPO!

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 5:17
6 Rohy Ifampitohizana  

Tsy omena mololo izahay kanefa asaina manao biriky ihany. Ary jereo fa nokapohina izahay mpanomponao, ka heloky ny vahoakanao izao!


Koa ankehitriny, ndeha miasa fa tsy homena mololo intsony ianareo, nefa ny isam-biriky anjaranareo tsy maintsy homenareo ihany.


Kanefa ny isan’ny biriky izay fanaony teo aloha dia takio aminy ihany fa aza ahenanareo, satria olona kamo ireo. Koa izany no itarainany handeha hanao sorona ho amin’ilay Andriamaniny.


Tezitra ireo mpianatra nony nahita izany ka nanao hoe: –Nahoana re iny no dia lanîna foana tahaka izao?


Aoka hiasa ianareo, tsy hoe hahazoana ny sakafo mety levona, fa hahazoana ny sakafo matàna ho aina maharitra mandrakizay, dia ilay homen’ny Zanak’olona anareo; fa Izy no efa nasian’Andriamanitra ny mariky ny fahefana nomeny Azy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra