Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 40:36 - DIEM PROTESTANTA

36 Rehefa nifindrafindra toerana ny Israelita, dia tsy niainga hanohy ny diany raha tsy efa niakatra niala tamin’ny fonena-masina ny rahona.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

36 Rehefa niakatra niala tamin’ny tabernakely ny rahona dia niainga ho amin’izay lalana halehany ny Zanak’Israely.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

36 Rehefa nifindrafindra toerana ny Israelita, dia tsy niainga hanohy ny diany raha tsy efa niakatra niala tamin’ny fonena-masina ny rahona.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

36 Nandritra ny andro rehetra nandehanan’ny zanak’i Israely, dia niainga izy ireo raha niakatra niala teo ambonin’ny Fonenana ny rahona,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

36 Ary raha niakatra niala tamin’ny tabernakely ny rahona, dia nifindra ny Zanak’Isiraely tamin’ny nandehanany rehetra;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

36 Ary raha niakatra niala tamin'ny tabernakely ny rahona, dia nifindra ny Zanak'Isiraely tamin'ny nandehanany rehetra;

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

36 Rehefa niakatra niala tamin’ny tabernakely ny rahona dia niainga ho amin’izay lalana halehany ny Zanak’Israely.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 40:36
11 Rohy Ifampitohizana  

kanefa noho Ianao be famindrampo, dia tsy nafoinao tany an-taniefitra izy: Ny andry rahona, izay nitari-dalana azy raha antoandro, dia tsy niala teo akaikiny na ny andry afo nony alina mba hanazava ny lalan-kalehany,


Dia novelarin’Andriamanitra ny rahona hanalokaloka ny vahoakany, ary najorony koa ny afo hanazava azy nony alina.


Andry rahona no nitarihany azy tamin’ny antoandro ary ny hazavan’ny afo nandritra ny alina.


Isaky ny miakatra miala amin’ny Tranolay ny rahona, dia miainga ny Israelita, ary eo amin’izay ijanonan’ny rahona no itobiany indray.


Eny, fa na mijanona maharitra roa andro na iray volana na ela noho izany eo ambonin’ny Fonena-masina aza ny rahona, dia mitoby hatrany ny Israelita fa tsy mandeha; rehefa miakatra ny rahona, vao izay izy no miainga.


Tiako hotsarovanareo, ry havako, izay nanjo ireo razantsika niara-dia tamin’i Mosesy. Tambanin’ny rahona izy rehetra; ary namakivaky ny Ranomasina Mena izy rehetra.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra