Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 37:5 - DIEM PROTESTANTA

5 Natsofony tao amin’ireo haba ireo ny bao roa mba hilanjana ny Vatamasina.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

5 Nampidiriny ho ao amin’ny mason-drojo izay eo amin’ny lafin’ny vata ny bao hilanjana azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

5 Natsofony tao amin’ireo haba ireo ny bao roa mba hilanjana ny Vatamasina.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

5 Natsofony tamin’ireo masom-bola teo amin’ny lanin’ny fiara ny bao hitondrana azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

5 Ary nampidiriny ny bao ho eo amin’ny vava vola, izay eo amin’ny lafin’ny fiara, hilanjana azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

5 Ary nampidiriny ny bao ho eo amin'ny vava vola, izay eo amin'ny lafin'ny fiara, hilanjana azy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

5 Nampidiriny ho ao amin’ny mason-drojo izay eo amin’ny lafin’ny vata ny bao hilanjana azy.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 37:5
6 Rohy Ifampitohizana  

Lava ihany ireto bao ireto, ka mety hita ny lohany, raha tazanina avy eo amin’ny Toeramasina manoloana ny efitra anatiny, saingy tsy hita kosa avy any ivelany; ary mbola ao mandraka androany ireo bao ireo.


Nisy bao roa nataony tamin’ny hazo mimôzà, ary norakofany takela-bolamena.


Nanaovany sarony volamena madio ilay Vatamasina, ka io sarony io dia nirefy 125 santimetatra ny lavany ary 75 santimetatra ny sakany.


Fa ampiandraiketo azy kosa ny fitandremana ny Fonena-masina izay nametrahana ny raki-tsoratry ny fanekempihavanana ary koa ny fanaka sy ny kojakoja rehetra momba azy. Ireo no hitondra ny Fonena-masina mbamin’ny fanaka rehetra momba azy sy hanao fanompoam-pivavahana ao aminy ary hitoby manodidina azy.


Rehefa hifindra toby ny Israelita dia ho vitan’i Aharôna sy ny zanany ny famonosana ny Toeramasina sy ny fanaka rehetra momba ny Toeramasina, dia ho avy amin’izay ny taranak’i Kehàta hitondra azy. Tsy hikasika ny fitaovana masina mivantana izy sao maty. Izany no anjara entan’ny taranak’i Kehàta ny amin’ny Tranolay fihaonana.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra