Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 37:25 - DIEM PROTESTANTA

25 Namboarina tamin’ny hazo mimôzà ny alitara iray ho fandoroana vovo-javamanitra. Efamira izy io, ka nirefy dimampolo santimetatra avy ny lafiny tsirairay, ary iray metatra ny haavony. Nisy tandrony avy teo amin’ny zorony efatra ambony ary natao miray aminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

25 Ary nanao ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra tamin’ny hazo akasia izy: Iray hakiho avy ny lafiny efatra, dia efa-joro tsy mivadi-mandry izany; ary roa hakiho ny haavony; nataony miray aminy ny tandrony.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

25 Namboarina tamin’ny hazo mimôzà ny alitara iray ho fandoroana vovo-javamanitra. Efamira izy io, ka nirefy dimampolo santimetatra avy ny lafiny tsirairay, ary iray metatra ny haavony. Nisy tandrony avy teo amin’ny zorony efatra ambony ary natao miray aminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

25 Hazo akasià no nanaovany ny ôtely fandoroan-java-manitra; iray hakiho ny lavany, iray hakiho ny sakany, efa-joro mitovy lafiny efatra, ary roa hakiho ny haavony, iray aminy ny tandrony.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

25 Ary nanao ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra tamin’ny hazo akasia izy: iray hakiho avy ny lafiny efatra, dia efa-joro tsy mivadi-mandry izy; ary roa hakiho ny hahavony; ary nataony miray aminy ny tandrony.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

25 Ary nanao ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra tamin'ny hazo akasia izy: iray hakiho avy ny lafiny efatra, dia efa-joro tsy mivadi-mandry izy; ary roa hakiho ny hahavony; ary nataony miray aminy ny tandrony.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 37:25
15 Rohy Ifampitohizana  

Kanjo nampiavonavona am-po azy izany hery nananany izany, ka nitarika loza ho an’ny tenany. Nivadika tamin’ny TOMPO Andriamaniny izy ka niditra tao amin’ny Toeramasin’ny TOMPO mba handoro vovo-javamanitra teo amin’ny alitara fanaovana izany.


ny latabatra voatokana, ny fitoeran-jiro volamena madio sy ny fitaovana rehetra miaraka aminy, ny alitara fandoroana vovo-javamanitra,


ny alitara fandoroana vovo-javamanitra sy ny baony, ny ilomasina fanokanana, ny vovo-javamanitra hodorana, ny varavarana lamba eo amin’ny fidirana mankao amin’ny fonena-masina;


Vongam-bolamena madio telopolo kilao no nampiasaina nanaovana ny fitoeran-jiro sy ny fitaovana rehetra miaraka aminy.


Norakofana takela-bolamena madio ny tampony sy ny lafiny manodidina mbamin’ny tandrony, sady nasiana sisiny volamena manodidina.


Hapetraka eo anoloan’ny Vatamasina misy ny raki-tsoratry ny fanekempihavanana ilay alitara volamena fandorana ditin-kazo manitra; ny efitra lamba dia hapetaka eo amin’ny fidirana mankao amin’ny fonena-masina.


Tsy misaina sady jamba ianareo! Inona no mendri-kaja kokoa, ny fanatitra sa ny alitara izay mahamasina ny fanatitra?


Ireo mpanaraka fanompoam-pivavahana ao amin’ny toeram-pivavahana jiosy dia tsy mahazo mihinana amin’izay sorona atao eo amin’ny alitarantsika.


Noho izany, dia mahavonjy tanteraka ireo manatona an’Andriamanitra amin’ny alalany Izy, satria velona mandrakizay mba hangataka amin’Andriamanitra ho azy ireo.


tao no nisy ny alitara volamena fandoroana ditin-kazo manitra ary ny vata mirakitra ny Fanekempihavanana, vata voapetaka takela-bolamena manontolo; ary tanatin’io vata io dia nisy ny siny volamena nitahirizana ny mana, ny tehin’i Aharôna izay nitsiry, ary ny vatofisaka nanoratana ny Fanekempihavanana.


Manatòna ny Tompo ianareo mba ho tahaka ny vato velona voarafitra ho trano onenan’ny Fanahy Masina, ka hiara-manao fisoronana amin’ny alalan’i Jesoa Kristy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra