Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 37:22 - DIEM PROTESTANTA

22 Nitambatra ho iray ihany tamin’ny sisa rehetra ny boko sy ny rantsana, ary samy volamena madio avokoa izy rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

22 Ny bokony sy ny rantsany dia niray taminy avokoa; izy rehetra dia natao vongana iray tamin’ny volamena iray tsy miharo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

22 Nitambatra ho iray ihany tamin’ny sisa rehetra ny boko sy ny rantsana, ary samy volamena madio avokoa izy rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

22 Iray amin’ny fanaovan-jiro ireo bokony aman-drantsany, fa vongam-bolamena an-tefy iray ihany, volamena madio, no nanaovana azy rehetra manontolo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

22 Ny kiboriny sy ny sampany dia niray taminy avokoa; natao indray mivofy tamin’ny volamena tsara izy rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

22 Ny kiboriny sy ny sampany dia niray taminy avokoa; natao indray mivofy tamin'ny volamena tsara izy rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

22 Ny bokony sy ny rantsany dia niray taminy avokoa; izy rehetra dia natao vongana iray tamin’ny volamena iray tsy miharo.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 37:22
9 Rohy Ifampitohizana  

Tompo ô, ampio hiloa-bava aho, mba hanambaràko ny fiderana Anao.


«Hisy koa fitoeran-jiro volamena madio hamboarina; voasana no hanaovana azy, ka ny faladiany sy ny tahony, ny raviny sy ny bokony ary ny voniny dia hitambatra ho tena iray ihany.


Mitambatra ho iray ihany amin’ny sisa rehetra ny boko sy ny rantsana, ka samy ho volamena madio avokoa izy rehetra.


Ary teo ambanin’ny rantsana enina izay niainga avy amin’ny tahobeny dia nisy boko iray isaky ny rantsana tsiroaroa.


Namboarina ny jiro fito sy ny tandra ary ny fitoeran-davenon-jiro, ka samy natao volamena madio avokoa.


Ny tanimboaloboka telo hekitara tsy hamokatra afa-tsy divay dimampolo litatra; izay mamafy varim-bazaha zato kilao tsy hioty afa-tsy folo kilao monja.»


Folahiko mafy ny tenako ary feheziko fatratra, fandrao izaho efa nitory tamin’ny hafa indray no tonga voailika.


Vonoy ireo zavatra etỳ an-tany mangeja ny tenanareo: dia ny fijangajangana, ny fahalotoana, ny filàndratsy, ny fitsiriritan-dratsy, ary ny fitiavan-karena (fa fanompoan-tsampy ny fitiavan-karena).


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra