Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 35:4 - DIEM PROTESTANTA

4 Nanohy nampita ny baiko avy amin’ny TOMPO ihany i Mosesy ka niteny tamin’ny Israelita tafangona teo nanao hoe:

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

4 Ary niteny tamin’ny fiangonana, dia ny Israely manontolo, i Mosesy hoe: Izao no teny izay nandidian’NY TOMPO hotanterahina:

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

4 Nanohy nampita ny baiko avy amin’ny TOMPO ihany i Mosesy ka niteny tamin’ny Israelita tafangona teo nanao hoe:

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

4 Niteny tamin’ny fiangonan’ny zanak’i Israely rehetra i Môizy ka nanao hoe: «Izao no nodidian’i Iaveh hatao:

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

4 Ary Mosesy niteny tamin’ny fiangonana, dia ny Zanak’Isiraely rehetra, ka nanao hoe: Izao no teny izay nandidian’i Jehovah:

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

4 Ary Mosesy niteny tamin'ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, ka nanao hoe: Izao no teny izay nandidian'i Jehovah:

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 35:4
6 Rohy Ifampitohizana  

Ary indro nomeko ho lefiny i Ôhôliaba, zanakalahin’i Ahisamàka, avy amin’ny fokon’i Dana, sady efa nomeko ny fahakingana lehibe izay an’ireo mpahay taozavatra hafa koa. Izy ireo no hiaraka hanatanteraka izay rehetra nandidiako anao hatao:


Na aiza na aiza honenanareo, dia tsy azonareo atao na dia ny mandrehitra afo aza amin’ny andro sabata.


–Angony ny fanomezana avy aminareo ho an’ny TOMPO; izay rehetra manome an-tsitrapo no aoka hitondra fanomezana isan-karazany ho an’ny TOMPO: dia volamena, volafotsy, halimo,


Vita ny asa rehetra momba ny fonena-masina na Tranolay fihaonana. Araka izay rehetra nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy no nanatanterahan’ny Israelita izany.


Ao no hametrahana ny Vatamasina misy ny raki-tsoratry ny fanekempihavanana ka ho takona ao am-badiky ny efitra lamba.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra