Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 35:2 - DIEM PROTESTANTA

2 misy andro enina hiasanareo isan-kerinandro, fa ny andro fahafito dia sabata, andro fitsaharana hatokanareo ho an’ny TOMPO. Koa izay olona rehetra manao raharaha amin’io andro io dia hovonoina ho faty.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

2 Henemana no hanaovanao raharaha, fa ny andro fahafito dia ho masina aminareo, ho tena andro fitsaharana ho an’NY TOMPO; izay rehetra manao raharaha amin’io andro io dia hovonoina ho faty.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

2 misy andro enina hiasanareo isan-kerinandro, fa ny andro fahafito dia sabata, andro fitsaharana hatokanareo ho an’ny TOMPO. Koa izay olona rehetra manao raharaha amin’io andro io dia hovonoina ho faty.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

2 Ny andro enina no hiasanareo fa ny andro fahafito dia ho andro voatokana eo aminareo, andro fitsaharana amin’ny asa rehetra hankalazana an’i Iaveh. Izay manao taozavatra amin’io andro io dia hohelohin-ko faty.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

2 Henemana no hanaovanao raharaha, fa ny andro fahafito ho masina aminareo, dia tena andro fitsaharana ho an’i Jehovah; izay rehetra manao raharaha amin’izany dia hatao maty.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

2 Henemana no hanaovanao raharaha, fa ny andro fahafito ho masina aminareo, dia tena andro fitsaharana ho an'i Jehovah; izay rehetra manao raharaha amin'izany dia hatao maty.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

2 Henemana no hanaovanao raharaha, fa ny andro fahafito dia ho masina aminareo, ho tena andro fitsaharana ho an’NY TOMPO; izay rehetra manao raharaha amin’io andro io dia hovonoina ho faty.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 35:2
13 Rohy Ifampitohizana  

ka hoy i Mosesy hoe: –Izany indrindra no nandidian’ny TOMPO anareo. Rahampitso dia sabata, andro fitsaharana voatokana ho an’ny TOMPO; koa andrahoy izay tokony handrahoina, ary ampangotrahy izay tokony hampangotrahina, fa ny ambiny kosa dia tehirizo ho tra-maraina.


«Enina andro no hanaovanareo ny raharahanareo fa amin’ny andro fahafito dia hitsahatra ianareo mba hahazoan’ny ombinareo sy ny borikinareo miala sasatra, ary mba hahazoan’ny mpanomponareo sy ny vahiny maka aina.


«Manana andro enina isan-kerinandro ianareo hiasanareo, fa amin’ny andro fahafito dia hitsahatra amin’ny raharahanareo ianareo na dia amin’ny fotoam-pamafazana sy fijinjana aza.


Hoy koa ny TOMPO hoe: «Raha atsahatrao ny fanosihosena ny sabata, ka tsy ny tombontsoanao no enjehinao amin’ny andro voatokana ho Ahy, raha ny sabata no lazainao hoe andro mahafinaritra, raha ny andro voatokana ho Ahy no lazainao hoe mendrika hohajaina, raha hajainao tokoa izany ka fadînao ny fanaonao na ny manenjika ny tombontsoanao na ny miteniteny foana,


«Andro enina no hanaovan-draharaha; fa ny fahafito dia sabata tena andro fitsaharana, ka hasiana fanompoam-pivavahana hivorianareo. Aza manao raharaha akory ianareo, fa sabata hanajana Ahy TOMPO izany, na aiza na aiza onenanareo.


Noho i Jesoa nanao izany tamin’ny andro sabata, dia nanenjika Azy ny manampahefana jiosy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra