Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 34:25 - DIEM PROTESTANTA

25 «Aza ampiarahina amin’ny mofo misy leviora ny sorona alatsa-dra, ary aza avela ho tra-maraina ny henan’ny sorona atao harivan’ny fetin’ny Paska.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

25 Aza manolotra ny ran’ny zavatra vonoina hatao fanatitra ho Ahy ianao, raha mbola misy masirasira ao aminao; ary aza avela ho tra-maraina ny zavatra vonoina hatao fanatitra ho Ahy amin’ny andro firavoravoana amin’ny Paska.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

25 «Aza ampiarahina amin’ny mofo misy leviora ny sorona alatsa-dra, ary aza avela ho tra-maraina ny henan’ny sorona atao harivan’ny fetin’ny Paska.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

25 «Tsy hiara-katolotra amin’ny mofo misy lalivay ny ran’ny sorona atao amiko; ary tsy hotahirizina mandritra ny alina ho tra-maraina ny sorona amin’ny fetin’ny Paka.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

25 Aza manatitra ny ran’ny zavatra vonoina hatao fanatitra ho Ahy hianao, raha mbola misy masirasira ao aminao; ary aza avela ho tra-maraina ny zavatra vonoina hatao fanatitra ho Ahy amin’ny andro firavoravoana amin’ny Paska.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

25 Aza manatitra ny ran'ny zavatra vonoina hatao fanatitra ho Ahy ianao, raha mbola misy masirasira ao aminao; ary aza avela ho tra-maraina ny zavatra vonoina hatao fanatitra ho Ahy amin'ny andro firavoravoana amin'ny Paska.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

25 Aza manolotra ny ran’ny zavatra vonoina hatao fanatitra ho Ahy ianao, raha mbola misy masirasira ao aminao; ary aza avela ho tra-maraina ny zavatra vonoina hatao fanatitra ho Ahy amin’ny andro firavoravoana amin’ny Paska.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 34:25
12 Rohy Ifampitohizana  

Aza asiana sisa ho tra-maraina; fa raha misy sisa tavela, dia dory amin’ny afo.


Koa tsy azonareo hanina ny sakafo misy ny leviora rehetra. Na aiza na aiza no hitoeranareo dia mofo tsy misy leviora no hohaninareo.»


Atsatsiho amin’ny afo ny hena, ary hano amin’io alina io miaraka amin’ny mofo tsy misy leviora sy ny anamafaitra.


«Aza manao sorom-biby ho Ahy miaraka amin’ny mofo misy leviora; ary aza tahirizina ho tra-maraina ny jaboran’ireo sorona fanomezam-boninahitra Ahy.


Raha misy sisa tsy lany tra-maraina ny hena sy ny mofo, dia hodorana fa tsy azo hanina satria sakafo masina.


«Ny fanatitra rehetra, izay atolotrao ho an’ny TOMPO, dia aza misy haroina leviora; fa ny leviora sy ny tantely dia samy tsy ho azonareo dorana hanetona, ho fanatitra levonina amin’ny afo ho an’ny TOMPO.


Ny henan’ny sorom-pihavanana atao ho fisaorana an’Andriamanitra dia hohanina amin’ny andro anaterana azy, fa tsy hisy havela ho tra-maraina.


Tsy hasiany sisa ho tra-maraina izany, ary tsy hotapahiny ny taolany; araka ny lalàna rehetra momba ny Paska no hankalazany izany.


Ary nilaza fanoharana hafa koa tamin’ny vahoaka i Jesoa ka nanao hoe: –Ny Fanjakàn’ny lanitra dia tahaka ny leviora nalain’ity vehivavy anankiray ary nampifangaroiny tamin’ny koba eran’ny kovetabe mandra-pibohaky ny koba manontolo.


Aza mofo misy leviora no haninareo amin’ny sakafo Paska; fa mandritra ny fito andro, dia mofo tsy misy leviora no hohaninareo mba hahatsiahivanareo fa an-kamehana no nialanareo tany Ejipta; eny, mofo tsizarizary no hohaninareo mba hahatsiarovanareo ilay andro nialanareo tany Ejipta, mandritra ny andro rehetra iainanareo.


Aoka tsy hisy leviora eo aminareo, manerana ny taninareo, mandritra izany herinandro izany; ary aoka tsy hisy tavela ho tra-maraina ny henan’ilay sorom-pihavanana novonoinareo tamin’ny harivan’ny andro voalohany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra