Eksodosy 34:24 - DIEM PROTESTANTA24 Fa haka ny tanin’ny firenen-kafa Aho mba hanitarana ny faritaninareo, nefa tsy hisy olona hihevitra handrombaka ny taninareo mandritra ny intelo isan-taona hiakaranareo hiseho eo anatrehako TOMPO Andriamanitrareo. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201124 Fa handroaka firenena eo alohanao Aho ka hanitatra ny faritaninao; ary tsy hisy olona hitsiriritra ny taninao rehefa miakatra hiseho eo anatrehan’NY TOMPO Andriamanitrao intelo isan-taona ianao. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara24 Fa haka ny tanin’ny firenen-kafa Aho mba hanitarana ny faritaninareo, nefa tsy hisy olona hihevitra handrombaka ny taninareo mandritra ny intelo isan-taona hiakaranareo hiseho eo anatrehako TOMPO Andriamanitrareo. Jereo ny tokoBaiboly Katolika24 Fa handroaka ny firenena eo anoloanao aho, ary hanitatra ny faritry ny taninao. Tsy hisy olona handrebona ny taninao, mandritra ny hiakaranao hiseho eo anatrehan’i Iaveh Andriamanitrao, intelo isan-taona.» Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy24 Fa handroaka firenena eo alohanao Aho ka hanitatra ny fari-taninao; ary tsy hisy olona haniry ny taninao, raha miakatra hiseho eo anatrehan’i Jehovah Andriamanitrao intelo isan-kerintaona hianao. Jereo ny tokoMalagasy Bible24 Fa handroaka firenena eo alohanao Aho ka hanitatra ny fari-taninao; ary tsy hisy olona haniry ny taninao, raha miakatra hiseho eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrao intelo isan-kerintaona ianao. Jereo ny toko |
Intelo isan-taona ny lehilahy rehetra aminareo no hiseho eo anatrehan’ny TOMPO Andriamanitrareo any amin’ny toerana izay hofidiny, dia amin’ny fankalazana ny mofo tsy misy leviora sy ny fankalazana ny Pentekôsta ary ny fankalazana ny Tranotomboka. Ary aoka tsy ho tanam-polo no hisehoany eo anatrehan’ny Toeramasin’ny TOMPO;
Raha imasoanareo hotanterahina manontolo izao didy ampitaiko aminareo anio izao ka hotiavinareo ny TOMPO Andriamanitrareo ary hizoranareo mandrakariva ny sori-dàlany, dia hitarin’ny TOMPO Andriamanitrareo ny faritaninareo, araka izay nampanantenainy ombàm-pianianana tamin’ny razambenareo. Ary amin’izay, dia hampianareo tanàna fialofana telo indray iretsy telo iretsy.
Ny TOMPO Andriamanitrareo no hampiditra anareo any amin’ny tany izay hidiranareo mba halainareo ho fananana. Firenena maro, firenena fito izay lehibe sy mahery noho ianareo, no horoahin’ny TOMPO hiala eo anoloanareo: dia ny Hetita sy ny Girgasîta, ny Amôrita sy ny Kanahanîta, ny Perizîta sy ny Hivîta ary ny Jebosîta.