Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 32:31 - DIEM PROTESTANTA

31 Dia niverina tany amin’ny Tompo i Mosesy ka nanao hoe: –Indrisy, TOMPO ô! Efa nanao heloka bevava ity vahoaka ity fa nanao andriamani-bolamena.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

31 Dia niverina ho any amin’NY TOMPO i Mosesy ka niteny hoe: Indrisy! Efa nahavita fahotana lehibe ity firenena ity fa nanamboatra andriamanitra volamena ho azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

31 Dia niverina tany amin’ny Tompo i Mosesy ka nanao hoe: –Indrisy, TOMPO ô! Efa nanao heloka bevava ity vahoaka ity fa nanao andriamani-bolamena.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

31 Dia niverina nankany amin’i Iaveh i Môizy, ka nanao hoe: «Indrisy, efa nahavita heloka be vava io vahoaka io, fa efa nanao andriamanitra volamena ho azy izy ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

31 Ary Mosesy dia niverina ho ao amin’i Jehovah ka nanao hoe: Indrisy! efa nanao fahotana lehibe ity firenena ity ka efa nanao andriamani-bolamena ho azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

31 Ary Mosesy dia niverina ho ao amin'i Jehovah ka nanao hoe: Indrisy! efa nanao fahotana lehibe ity firenena ity ka efa nanao andriamani-bolamena ho azy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

31 Dia niverina ho any amin’NY TOMPO i Mosesy ka niteny hoe: Indrisy! Efa nahavita fahotana lehibe ity firenena ity fa nanamboatra andriamanitra volamena ho azy.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 32:31
12 Rohy Ifampitohizana  

Ry TOMPO Andriamanitr’i Israely ô, miantra Ianao ka mbola misy sisa afaka ihany izahay amin’izao anio izao; indreto izahay vesaran’ny fahotanay eto anatrehanao, na dia tsy tokony hisy hahajanona eto anatrehanao aza noho izany.»


Tamin’ny nanaovany ombilahikely anidina sy nilazany hoe: «Io no andriamanitrao izay nitondra anao niakatra avy tany Ejipta!», dia notevatevainy tokoa Ianao;


Mandala ny rariny Ianao tamin’izay rehetra nanjo anay; satria marina ny nataonao, fa izahay no nanao ratsy.


Koa aza ataonareo ho toy ny andriamani-bolafotsy na volamena Aho, ary aza manamboatra ireny ho anareo.


«Aza manao sarin-tsampy voasokitra ho anao, ampisehoanao endri-javatra izay eny amin’ny habakabaka ambony, na izay etỳ amin’ny tany ambany, na izay ao amin’ny rano ambanin’ny tany.


Nony ampitso dia hoy i Mosesy tamin’ny vahoaka israelita: –Nanao heloka bevava ianareo. Koa hiakatra ho any an-tendrombohitra any amin’ny TOMPO aho izao; angamba hahazo famelana ny helokareo aho.


Dia nijanona tao niaraka tamin’ny TOMPO efapolo andro sy efapolo alina i Mosesy, nefa tsy nihinana na nisotro; ary izy no nanoratra tamin’ny vatofisaka roa ny didy folo, fototry ny fanekempihavanana.


Nandika ny lalànao i Israely manontolo, ary nihodina tsy hihaino ny feonao; ka dia natosakao taminay ny ozona sy ny fianianana voasoratra tao amin’ny lalànan’i Mosesy mpanomponao, satria nanota taminao izahay.


Nanota izahay ka diso, nanao ratsy sy nikomy ary niala tamin’ny didy sy ny fitsipikao;


Eny, Tompo ô, anay ny fahamenarana, dia an’ny mpanjakanay sy ny mpifehy anay ary ny razanay, satria efa nanota taminao izahay.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra