Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 32:30 - DIEM PROTESTANTA

30 Nony ampitso dia hoy i Mosesy tamin’ny vahoaka israelita: –Nanao heloka bevava ianareo. Koa hiakatra ho any an-tendrombohitra any amin’ny TOMPO aho izao; angamba hahazo famelana ny helokareo aho.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

30 Nony maraina dia hoy i Mosesy tamin’ny olona: Efa nahavita fahotana lehibe ianareo; ary ankehitriny dia hiakatra ho any amin’NY TOMPO aho fa angamba havelany hanao fanavotana ny amin’ny fahotanareo aho.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

30 Nony ampitso dia hoy i Mosesy tamin’ny vahoaka israelita: –Nanao heloka bevava ianareo. Koa hiakatra ho any an-tendrombohitra any amin’ny TOMPO aho izao; angamba hahazo famelana ny helokareo aho.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

30 Nony ampitso hoy i Môizy tamin’ny vahoaka: «Efa nahavita heloka be vava ianareo, ka ankehitriny ndeha hiakatra ho any amin’i Iaveh aho, fa angamba hahazo famelana ny fahotanareo aho.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

30 ARY nony maraina dia hoy Mosesy tamin’ny olona: Efa nanao fahotana lehibe hianareo; ary ankehitriny, dia hiakatra ho ao amin’i Jehovah aho, fa angamba hahazo manao fanavotana ny amin’ny fahotanareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

30 Ary nony maraina dia hoy Mosesy tamin'ny olona: Efa nanao fahotana lehibe ianareo; ary ankehitriny, dia hiakatra ho amin'i Jehovah aho, fa angamba hahazo manao fanavotana ny amin'ny fahotanareo.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

30 Nony maraina dia hoy i Mosesy tamin’ny olona: Efa nahavita fahotana lehibe ianareo; ary ankehitriny dia hiakatra ho any amin’NY TOMPO aho fa angamba havelany hanao fanavotana ny amin’ny fahotanareo aho.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 32:30
22 Rohy Ifampitohizana  

Koa nahoana no tsy noraharahainao ny teniko tamin’ny nanaovanao izay ratsy eo imasoko? Nasianao tamin’ny sabatra i Orià ilay Hetita ary nalainao ho vadinao ny vadiny; eny, ianao no nahafaty azy tamin’ny sabatry ny Hamônita.


Angamba ho hitan’ny TOMPO ny fahantrako, ka hampodiny ho fanambinana ny fanozonany ahy androany.


Rehefa nendahan’ny TOMPO tamin’ny fianakavian’i Davida i Israely, dia natsangany ho mpanjaka i Jerôbohama zanakalahin’i Nebata izay nampiala an’i Israely avaratra tamin’ny TOMPO sy nitarika azy tamin’ny fahotana lehibe.


I Mosesy sy i Aharôna tamin’ireo mpisorony ary i Samoela tamin’ireo mpivavaka aminy dia samy niantso vonjy taminy ka novaliany.


Dia hoy i Mosesy tamin’ny Levita: –Androany dia voatokana ho amin’ny fanompoana ny TOMPO ianareo, satria novonoinareo na dia ny zanakareo sy ny rahalahinareo aza. Homen’ny TOMPO anareo anio anie ny fitahiana.


Ankahalao ny ratsy, tiavo ny tsara, ary ampitoero ao amin’ny fitsarana indray ny rariny; Angamba ny TOMPO Andriamanitr’izao rehetra izao hamindra fo amin’izay sisa amin’ny taranak’i Jôsefa.


Iza no mahalala? Angamba hiova fanapahan-kevitra ihany Andriamanitra ka hiala amin’ny fahatezerany mirehitra mba tsy hahafaty antsika.»


izany fanekempihavanana izany dia hahatonga ny tenany sy ny taranany ho mpisorona hatrany, satria niseho ho saro-piaro momba Ahy i Pinehasa ka nahazo famelan-keloka ho an’ny Israelita.


Ndeha hody any amin’i dada aho ka hilaza aminy hoe: Dada ô, nanota tamin’Andriamanitra sy taminao aho,


Koa izao no teniko aminao: Voavela ny heloka be nataony, noho izy be fitiavana; fa izay amelana kely no kely fitiavana.


eny, satriko mihitsy aza ny ho voaozon’Andriamanitra ka ho tafasaraka amin’i Kristy, hanasoavako ireo iray firazanana amiko, havako ara-nofo.


I Kristy dia nanavotra anay Jiosy ho afaka amin’ny ozona tanisain’ny lalàna; fa nanjary niharan’ny ozona Izy ho famonjena anay satria hoy ny Soratra Masina hoe: «Voaozona izay rehetra mihantona amin’ny hazo!»


ho mora fo raha mananatra ny mpanohitra azy: hataon’Andriamanitra miala amin’ny toe-dratsy angamba ireny mpanohitra ireny mba hahalala ny fampianarana marim-pototra;


Koa mieke heloka ianareo samy ianareo, ary mifampivavaha mba hahasitrana anareo; fa mahery fiasa tokoa ny fivavaky ny olo-marina.


Tsy izao ve no fotoam-pijinjam-barim-bazaha? Hivavaka amin’ny TOMPO aho, dia hampikotroka ny andro sy hampilatsaka ny orana Izy; koa dia ho tsapanareo ny halehiben’ny ratsy vitanareo tamin’ny TOMPO raha nangataka mpanjaka ianareo.


Dia hoy ny besinimaro tamin’i Samoela: –Ivavaho amin’ny TOMPO Andriamanitrao izahay mba tsy ho faty, fa fahotana maro no efa vitanay ankoatra ny fangatahanay mpanjaka ho anay.


Hoy kosa i Samoela taminy: –Aza matahotra. Marina fa nanao ireny ratsy isan-karazany ireny tokoa ianareo; kanefa aza miala amin’ny TOMPO intsony, fa manompoa AZY amin’ny fonareo manontolo.


Fa ny amiko kosa, dia sanatriaviko ny hanota amin’ny TOMPO ka hijanona tsy hivavaka ho anareo. Ary hatoroko anareo hatrany ny lalana tsara sy mahitsy.


Ka tena lehibe dia lehibe teo imason’ny TOMPO ny fahotan’ireo zanakalahin’i Helỳ, satria notsiratsirain’izy roa lahy ny sorona naterina ho AZY.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra