27 ka nitenenany hoe: –Izao no baikon’ny TOMPO, Andriamanitr’i Israely: «Samia mandray ny sabany avy ianareo, ka mandehàna mivezivezy isam-baravarana ato amin’ny toby, vonoy ny rahalahinareo sy ny namanareo ary ny mpifanolo-bodirindrina aminareo.»
27 Dia hoy izy tamin’ireo: Izao no lazain’NY TOMPO, Andriamanitr’Israely: Samia manao ny sabany eo an-tehezany avy ianareo dia mandrosoa ary miverimberena hatreny amin’ny vavahadin’ny toby iray ka hatramin’ny iray hafa, ary samia mamono ny rahalahiny avy sy ny sakaizany avy ary ny namany avy ianareo.

27 «Izao no lazain’i Iaveh Andriamanitr’i Israely: Samia ianareo manao ny sabany eo am-balahany avy, ka mandehana mamakivaky ny toby, hatramin’ny vavahadin’ny toby anankiray, ka hatramin’ny anankiray, dia samia mamono ny rahalahiny, ny sakaizany ary ny havany avy.»
27 Dia hoy izy taminy: Izao no lazain’i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Samia manao ny sabany eo am-balahany avy hianareo, dia mandrosoa sy miverimberena amin’isam-bavahadin’ny toby, ary samia mamono ny rahalahiny avy sy ny sakaizany avy ary ny namany avy hianareo.
27 Dia hoy izy taminy: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Samia manao ny sabany eo am-balahany avy ianareo, dia mandrosoa sy miverimberena amin'isam-bavahadin'ny toby, ary samia mamono ny rahalahiny avy sy ny sakaizany avy ary ny namany avy ianareo.
27 Dia hoy izy tamin’ireo: Izao no lazain’NY TOMPO, Andriamanitr’Israely: Samia manao ny sabany eo an-tehezany avy ianareo dia mandrosoa ary miverimberena hatreny amin’ny vavahadin’ny toby iray ka hatramin’ny iray hafa, ary samia mamono ny rahalahiny avy sy ny sakaizany avy ary ny namany avy ianareo.
Rehefa vita izany, dia hoy i Jehò tamin’ny miaramila sy mpifehy azy: –Midira ka vonoy ho faty tsy hisy miangana ireo na dia iray aza! Dia nasian’ny miaramila tamin’ny lelan-tsabatra ireo, ka nariany tany ivelan’ny tanàna ny fatiny. Avy eo ireto miaramila dia niverina tao amin’ny faritra nisy ny tempolin’i Bahala.
Dia hoy i Mosesy tamin’ny Levita: –Androany dia voatokana ho amin’ny fanompoana ny TOMPO ianareo, satria novonoinareo na dia ny zanakareo sy ny rahalahinareo aza. Homen’ny TOMPO anareo anio anie ny fitahiana.
Avy eo dia reko Izy nanome baiko ireo sisa hoe: «Manaraha io lehilahy io eran’ny tanàna, ka vonoy ny mponina. Aza antra fijery azy ianareo, ary aza mamindrafo aminy.
–Raha misy manatona Ahy, aoka ho tia Ahy mihoatra noho ny ray aman-dreniny sy ny vady aman-janany mbamin’ny mpiray tampo aminy, ary mihoatra noho ny tenany aza; fa raha tsy izany, tsy afaka ho mpianatro.
Ka hatramin’ny naha kristianina anay, dia tsy mihevitra na iza na iza araka ny fisainan’olombelona intsony izahay. Na dia nihevitra an’i Kristy araka ny fisainan’olombelona aza izahay fahiny, dia tsy manao toy izany intsony ankehitriny.