Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 30:31 - DIEM PROTESTANTA

31 «Aorian’izany dia hambaranao amin’ny Israelita hoe: Ity no ilomasina fampiasa amin’ny fanokanana. Fanompoana ny Tompo irery ihany no hampiasana azy eo amin’ny taranaka mifandimby.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

31 Avy eo dia mitenena amin’ny Zanak’Israely hoe: Ity dia ho diloilo fanosorana masina ho Ahy hatramin’ny taranakareo fara aman-dimby.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

31 «Aorian’izany dia hambaranao amin’ny Israelita hoe: Ity no ilomasina fampiasa amin’ny fanokanana. Fanompoana ny Tompo irery ihany no hampiasana azy eo amin’ny taranaka mifandimby.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

31 Mitenena amin’ny zanak’i Israely ka lazao hoe: Ho diloilo fanaovana fanosorana masina izany ho Ahy, hatrany amin’ny taranaka mifandimby.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

31 Ary mitenena amin’ny Zanak’Isiraely hoe: Ity ho diloilo fanosorana masina ho Ahy hatramin’ny taranakareo fara mandimby.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

31 Ary mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Ity ho diloilo fanosorana masina ho Ahy hatramin'ny taranakareo fara mandimby.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

31 Avy eo dia mitenena amin’ny Zanak’Israely hoe: Ity dia ho diloilo fanosorana masina ho Ahy hatramin’ny taranakareo fara aman-dimby.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 30:31
7 Rohy Ifampitohizana  

Indray andro dia niteny tamin-tsindrimandry Ianao ka nilaza tamin’ireo mpivavaka aminao hoe: «Nanaiky hanampy sy hanandratra olo-mahery fo iray aho, dia tovolahy anankiray avy tao amin’ny vahoakako.


Hanalanao kely ny ra eo ambony alitara sy ny ilomasina fanokanana, dia hafafinao amin’i Aharôna sy ny fanamiany ary amin’ny zanany lahy sy ny fanamiany; amin’izay dia ho masina i Aharôna sy ny zanany lahy mbamin’ny fanamany.


Horarahanao ilomasina koa i Aharôna sy ny zanany lahy ho fanokanana azy mba hanompo Ahy amin’ny maha mpisorona.


Koa tsy misy olona mahazo mampiasa azy mba hihosorany, ary tsy misy mahazo manamboatra ilomanitra mitovy aminy; fa voatokana izany, ka tsy maintsy hajaina ny maha voatokana azy.


Mpamboatra zava-manitra no nanao ny ilomasina fampiasa amin’ny fanokanana mbamin’ny vovo-javamanitra hodorana eo amin’ny alitara.


«Ny mpisorombe no filohan’ireo mpisorona rahalahiny. Nandrarahana ny menaka fanosorana teo an-dohany izy ka manan-jo hitafy ny fanamiana masina. Noho izany, rehefa misaona izy, dia aoka tsy hirakaraka volo na handriatra ny fitafiany,


Ary nandrotsahany menaka fanosorana teo amin’ny lohan’i Aharôna; ka nohosorany i Aharôna mba ho voatokana ho an’Andriamanitra.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra