Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 30:25 - DIEM PROTESTANTA

25 Mpamboatra zava-manitra no hampifangaroharo azy hanjary ilomasina hampiasaina amin’ny lanonana fanokanana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

25 dia amboary ho diloilo fanosorana masina izany, ho zavatra aharoharo, asan’ny mpanao haro manitra, ho diloilo fanosorana masina.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

25 Mpamboatra zava-manitra no hampifangaroharo azy hanjary ilomasina hampiasaina amin’ny lanonana fanokanana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

25 ka amboary izany ho diloilo hanaovana ny fanosorana masina; ho zava-manitra voaharoharo araka ny asan’ny mpahay zava-manitra; dia izany no diloilo hanaovana ny fanosorana masina.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

25 dia amboary ho diloilo fanosorana masina izany, ho zavatra aharoharo, asan’ny mpangaraharo zava-manitra; ho diloilo fanosorana masina izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

25 dia amboary ho diloilo fanosorana masina izany, ho zavatra aharoharo, asan'ny mpangaroharo zava-manitra; ho diloilo fanosorana masina izany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

25 dia amboary ho diloilo fanosorana masina izany, ho zavatra aharoharo, asan’ny mpanao haro manitra, ho diloilo fanosorana masina.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 30:25
18 Rohy Ifampitohizana  

Dia nalain’i Tsadôka mpisorona ny tandroka misy menaka tao amin’ny Tranolay Fihaonana ka nandrarahany tamin’ny lohan’i Salômôna ho fanosorana azy ho mpanjaka. Notsofina tamin’izay ny anjomara, ary ny vahoaka rehetra teo samy nihiaka hoe: «Ho ela velona anie i Salômôna mpanjaka!»


kanefa dia mpisorona no tena mpiandraikitra ny fampifangaroana zava-manitra.


Toy ny ilomanitra mby an-dohan’olona nasaina ka mitsororoka hatreny amin’ny somotra. Toy ny somotr’i Aharôna mpisorombe ka midina hatreny amin’ny vozon’akanjony.


Indray andro dia niteny tamin-tsindrimandry Ianao ka nilaza tamin’ireo mpivavaka aminao hoe: «Nanaiky hanampy sy hanandratra olo-mahery fo iray aho, dia tovolahy anankiray avy tao amin’ny vahoakako.


«Ry Mosesy, hampiakanjoinao ireo fanamiana ireo i Aharôna zokinao sy ny zanany lahy ary hohosoranao diloilo ny lohany, dia hapetrakao amin’ny toerany izy; toy izany no hanokananao azy hanompo Ahy amin’ny maha mpisorona azy.


Hanalanao kely ny ra eo ambony alitara sy ny ilomasina fanokanana, dia hafafinao amin’i Aharôna sy ny fanamiany ary amin’ny zanany lahy sy ny fanamiany; amin’izay dia ho masina i Aharôna sy ny zanany lahy mbamin’ny fanamany.


Dia alao ny ilomasina fanokanana ka araraho eo an-dohany, ary atokany izy.


ary kasia dimy kilao, araka ny lanja fampiasa ao amin’ny Toeramasina, miampy diloilon’ôliva enina litatra.


Koa tsy misy olona mahazo mampiasa azy mba hihosorany, ary tsy misy mahazo manamboatra ilomanitra mitovy aminy; fa voatokana izany, ka tsy maintsy hajaina ny maha voatokana azy.


Mpamboatra zava-manitra no hampifangaroharo azy miaraka amin’ny sira mba hahatonga azy ho voatokana sy madio.


ny alitara fandoroana vovo-javamanitra sy ny baony, ny ilomasina fanokanana, ny vovo-javamanitra hodorana, ny varavarana lamba eo amin’ny fidirana mankao amin’ny fonena-masina;


Mpamboatra zava-manitra no nanao ny ilomasina fampiasa amin’ny fanokanana mbamin’ny vovo-javamanitra hodorana eo amin’ny alitara.


«Halainao ny ilomasina fanokanana, dia hohosoranao ny tranolay masina sy izay rehetra ao anatiny; izany no hanokananao azy sy ny fitaovana rehetra momba azy mba ho voatokana.


Fatin-dalitra no mahamaimbo sy manimba ny ilomanitry ny mpanao zava-manitra; toy izany koa, ny fahadalana kely dia mavesa-danja bebe kokoa noho ny fahendrena.


Ary naka ny menaka fanosorana i Mosesy, dia nanosotra sy nanokana ny Fonenan’Andriamanitra mbamin’ny zavatra rehetra tao anatiny.


–Antsoy i Aharôna sy ny zanany miaraka aminy, hankeo anoloan’ny varavaran’ny Tranolay fihaonana; asaovy entina ny fanamiana masina, ny menaka fanosorana, ny ombilahy hatao sorona fanalana ny ota, ny ondrilahy roa ary ny harona nasiana mofo tsy misy leviora.


Harovan’ny fiangonana amin’ny mpamaly faty ilay nahafaty olona, ka hateriny indray any amin’ny tanàna izay nialokalofany. «Hitoetra ao amin’io tanàna fialokalofany io ilay nahafaty olona tsy nahy mandra-pahafatin’ny mpisorombe izay voahosotra tamin’ny diloilo masina.


Tia rariny Ianao fa hàlanao kosa ny ratsy; noho izany Andriamanitra, ilay Andriamanitrao, dia nifidy sy nanokana Anao fa tsy ireo namanao, ka nampidina diloilom-pifaliana teo an-dohanao.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra