16 Rehefa voaangonao avy amin’ny Israelita rehetra izany vola izany, dia hampiasainao hikojakojana ny Tranolay fihaonana. Izany no hahatsiarovako ny Israelita ka hiarovako ny ainy.
16 Ary handray ny vola avotra amin’ny Zanak’Israely ianao ka hataonao amin’ny fanompoana ao amin’ny tranolay fihaonana; dia ho fahatsiarovana ho an’ny Zanak’Israely eo anatrehan’NY TOMPO izany, ho avotry ny ainareo.
16 Rehefa voaangonao avy amin’ny Israelita rehetra izany vola izany, dia hampiasainao hikojakojana ny Tranolay fihaonana. Izany no hahatsiarovako ny Israelita ka hiarovako ny ainy.
16 Horaisinao amin’ny zanak’i Israely ny vola avy amin’izany avotra izany ka hoenti-manao ny raharaha momba ny trano lay fihaonana. Dia ho antoka eo anatrehan’i Iaveh izany, ho an’ny zanak’i Israely hanavotana ny ainy.»
16 Ary handray ny vola avotra amin’ny Zanak’Isiraely hianao, ka hataonao amin’ny fanompoana ao amin’ny trano-lay fihaonana; ary ho fahatsiarovana ho an’ny Zanak’Isiraely eo anatrehan’i Jehovah izany, ho avotry ny ainareo.
16 Ary handray ny vola avotra amin'ny Zanak'Isiraely ianao, ka hataonao amin'ny fanompoana ao amin'ny trano-lay fihaonana; ary ho fahatsiarovana ho an'ny Zanak'Isiraely eo anatrehan'i Jehovah izany, ho avotry ny ainareo.
16 Ary handray ny vola avotra amin’ny Zanak’Israely ianao ka hataonao amin’ny fanompoana ao amin’ny tranolay fihaonana*; dia ho fahatsiarovana ho an’ny Zanak’Israely eo anatrehan’NY TOMPO izany, ho avotry ny ainareo.
Koa nampanantsoin’ny mpanjaka i Jôiadà mpisorombe ary nataony hoe: «Nahoana no tsy nohizingizininao ny hitondran’ny levita ny hetra avy tamin’ny mponin’i Joda sy Jerosalema, araka ny didin’i Mosesy mpanompon’ny TOMPO fony izy namory ny vahoaka Israely? Hanasoavana ny Fonena-masina misy ny raki-tsoratry ny Fanekempihavanana io hetra io,
Ny mpanankarena tsy handoa mihoatra antsasaky ny sekela, ary ny mahantra koa tsy handoa latsak’izany; fa ny tsirairay samy handoa ho AHY ny vola voatondro mba hanavotra ny ainy.
Dia napetrak’i Mosesy sy i Elehazara mpisorona tao amin’ny Tranolay fihaonana ny volamena rehetra nomen’ny manamboninahitra miaramila, mba hahatsiarovan’ny TOMPO ireo Israelita.
Avy eo nandray mofo i Jesoa; ary nisaorany an’Andriamanitra izany, dia notapatapahiny sy nomeny ny apôstôly ka nataony hoe: –Ny tenako ity [izay omena ho anareo. Izany atao ho fahatsiarovana Ahy.