Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 29:11 - DIEM PROTESTANTA

11 Hovonoina ho faty eo anatrehako Izaho TOMPO izany, eo akaikin’ny varavaran’ny Tranolay fihaonana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

11 dia vonoy eo anatrehan’NY TOMPO ny vantotra ombilahy, eo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana;

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

11 Hovonoina ho faty eo anatrehako Izaho TOMPO izany, eo akaikin’ny varavaran’ny Tranolay fihaonana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

11 Hovonoinao eo anatrehan’i Iaveh ny ombalahy eo amin’ny fidirana ho ao an-trano lay fihaonana;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

11 dia vonoy eo anatrehan’i Jehovah ny vantotr’ombilahy, eo anoloan’ny varavaran’ny trano-lay fihaonana;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

11 dia vonoy eo anatrehan'i Jehovah ny vantotr'ombilahy, eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana;

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

11 dia vonoy eo anatrehan’NY TOMPO ny vantotra ombilahy, eo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana;

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 29:11
10 Rohy Ifampitohizana  

«Hoentina eo anoloan’ny Tranolay fihaonana ny ombilahy, ka hametrahan’i Aharôna sy ny zanany lahy tanana eo an-dohan’ny ombilahy.


Hanalanao ny rany ka hatentinao amin’ny fanondro eo amin’ny tandroky ny alitara, ary ny sisa kosa dia haidinao eo am-pototry ny alitara.


«Ento hankeo am-baravaran’ny Tranolay fihaonana i Aharôna sy ireo zanany lahy, dia ampandroy amin’ny rano fandroana.


Io zanakondrilahy io dia hovonoiny eo amin’ny toerana famonoana ny biby hatao sorona fanalana ny ota na hatao sorona dorana manontolo, dia eo amin’ny faritra voatokana hanaovana izany; tahaka ny amin’ny sorona fanalana ny ota no fanao amin’ny sorom-panonerana, ka zava-masina dia masina natao ho anjaran’ny mpisorona izany.


Ny mpanolotra no hametra-tanana eo amin’ny lohan’ilay omby hatao sorona, ka hamono azy eo anoloan’ny varavaran’ny Tranolay fihaonana; ireo mpisorona taranak’i Aharôna kosa hamafy ny ra manodidina amin’ny rindrin’ny alitara.


Izy mpisorombe no hitondra ny ombilahy ho eo akaikin’ny varavaran’ny Tranolay fihaonana, ho eo anoloan’ny Toeramasin’ny TOMPO; dia hametra-tanana eo amin’ny lohan’ilay ombilahy izy ka hamono azy eo anoloan’ny Toeramasina.


Novonoin’i Mosesy io ary nangalany ny ra ka notentenany tamin’ny fanondro ny tandroky ny alitara mba ho fanadiovana ny alitara manontolo; ary ny ra sisa dia naidiny teo am-pototry ny alitara: toy izany no nanokanan’i Mosesy ny alitara mba hahazoana manao fombam-pivavahana famelan-keloka eo amboniny.


Dia novonoin’i Aharôna koa ny ondrilahy hatao sorona dorana manontolo; ka rehefa natolotr’ireo zanany azy ny ra, dia nafafiny tamin’ny lafin’ny alitara.


Dia nanatona ny alitara i Aharôna ka namono ny ombilahikely hatao fanalana ny ota ho an’ny tenany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra