Noroahinareo ny tena mpisoron’ny TOMPO, dia ny taranak’i Aharôna ary koa ny levita; fa nanendry mpisorona ho anareo kosa ianareo, tahaka ny fanaon’ny firenena any amin’ny tany hafa. Na iza na iza nitondra ombilahy iray sy ondrilahy fito hanokanana ny tenany, dia tonga mpisoron’ireny andriamani-tsiizy ireny.