Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 28:4 - DIEM PROTESTANTA

4 Ireo fanamiana izay hataony dia ny saron-tratra, ny efôda, ny akanjo lava ivelany, ny akanjo vita peta-kofehy, ny satroka fehiloha ary ny fehikibo. Hanaovan’i Aharôna rahalahinao sy ny taranany ireo rehefa manao fisoronana amiko izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

4 Izao no fitafiana izay hataon’ireo: Saron-tratra, efoda, akanjobe, akanjo lava tenom-boaroy, fehiloha ary fehikibo. Hanao fitafiana masina ho an’i Arona rahalahinao sy ho an’ireo zanany izy ireo, mba hanaovany fisoronana ho Ahy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

4 Ireo fanamiana izay hataony dia ny saron-tratra, ny efôda, ny akanjo lava ivelany, ny akanjo vita peta-kofehy, ny satroka fehiloha ary ny fehikibo. Hanaovan’i Aharôna rahalahinao sy ny taranany ireo rehefa manao fisoronana amiko izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

4 Ka izao no fanamiana hataon’izy ireo: saron-tratra iray, efôda iray, akanjo lava iray, akanjo anaty misy amborodao iray, satroka hamama iray ary fehin-kibo iray. Ireo no fanamiana masina hataony ho an’i Aarôna rahalahinao, sy ny zanany, mba ho mpisorona hanao fanompoana ahy izy ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

4 Ary izao no fitafiana izay hataony: saron-tratra sy efoda sy akanjo ivelany sy akanjo lava tenom-boaroy sy hamama ary fehin-kibo; dia hanao fitafiana masina ho an’i Arona rahalahinao izy, sy ho an’ny zanany, mba ho mpisorona ho Ahy izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

4 Ary izao no fitafiana izay hataony: saron-tratra sy efoda sy akanjo ivelany sy akanjo lava tenom-boaroy sy hamama ary fehin-kibo; dia hanao fitafiana masina ho an'i Arona rahalahinao izy, sy ho an'ny zanany, mba ho mpisorona ho Ahy izy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

4 Izao no fitafiana izay hataon’ireo: Saron-tratra, efoda*, akanjobe, akanjo lava tenom-boaroy, fehiloha ary fehikibo. Hanao fitafiana masina ho an’i Arona rahalahinao sy ho an’ireo zanany izy ireo, mba hanaovany fisoronana ho Ahy.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 28:4
20 Rohy Ifampitohizana  

Nandihy araka ny heriny manontolo teo anatrehan’ny TOMPO i Davida, izay efôda rongony fotsy ihany no nisalorany.


vato berila sy vatosoa hafa ho an’ny efôda sy ny saron-tratran’ny mpisorombe.


Apetraho eo an-dohany ny satroka fehiloha, ary apetraho amin’ny satroka fehiloha kosa ny marika maha voatokana.


notenomina toy izany koa ny fehiloha, ny lamba nanaovana ny satroka boribory, ary ny pataloha.


Ny rariny no ho fisikinany ary ny toetra hentitra no ho fehikibony.


Eny, ny fahamarinana no nakanjoin’ny Tompo ho tahaka ny akanjo vy fiarovan-tena ary ny famonjena no nataony ho satro-by fiarovan-doha. Ny famaliana no toy ny fitafiana nanaovany ary ny fitiavana miredareda manentana Azy no toy ny lamba nisalorany.


Koa andro maro no hijanonan’ny Israelita tsy hana-mpanjaka na filoha, sorona na tsangam-bato, efôda na terafîma.


Koa mamahara tsara hatrany ianareo: ny marina no ataovy toy ny etra fehikibonareo; ny rariny no tafio ho toy ny fiarovan-tratra;


Fa satria an’ny andro isika, dia aoka hahonon-tena ka hitafy finoana sy fitiavana ho toy ny fiarovan-tratra, ary hitafy fanantenam-pamonjena ho toy ny fiarovan-doha.


Ary toy izao no nahitako ny soavaly sy ny mpitaingina azy, nandritra ny fahitana: ny mpitaingina dia manana fiarovantratra mena toy ny afo sy manga toy ny vatosoa safira ary mavo toy ny solifara; ny soavaly kosa dia tahaka ny lohan-diona ny lohany, ary nivoaka afo aman-tsetroka sy solifara ny vavany.


Fa i Samoela kely kosa nisalotra efôda rongony ka nanatanteraka ny fanompoam-pivavahana teo anatrehan’ny TOMPO.


Koa hoy ny mpanjaka tamin’i Dôega: –Mandehana vonoy ho faty ireo mpisorona ireo. Dia lasa tokoa i Dôega ilay Edômita ka izy mihitsy no namono nahafaty ny mpisorona. Lehilahy 85 mpisalotra ny akanjo masina no matiny androtrio ihany.


Raha nialokaloka eo amin’i Davida tany Kehilà i Abiatara zanakalahin’i Ahimelèka, dia nitondra ny efôda niaraka taminy.


Ka hoy i Davida tamin’i Abiatara mpisorona sady zanakalahin’i Ahimeleka: –Ento atỳ amiko ny efôda fanontaniana ny Tompo, azafady. Dia nentin’i Abiatara teo amin’i Davida ny efôda.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra