Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 26:11 - DIEM PROTESTANTA

11 Farango halimo dimampolo no hamboarina, dia hatsofoka amin’ny tadivavarana mba hampikambana ny lay ho iray ihany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

11 Manaova farango varahina dimampolo ka ampidiro ho eo amin’ny tadivavarana ireo farango ireo ary akambano ny lay, dia ho iray ihany izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

11 Farango halimo dimampolo no hamboarina, dia hatsofoka amin’ny tadivavarana mba hampikambana ny lay ho iray ihany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

11 Dia hanao jaigirafy varahina dimampolo ianao, hampidirinao amin’ny tadivavarana ny jaigirafy mba hanakambananao ny lay ho iray ihany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

11 Ary manaova farango varahina dimam-polo, ka ampidiro ho eo amin’ny tadivavarana ary akambano ny lay, ka dia ho iray ihany izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

11 Ary manaova farango; varahina dimam-polo, ka ampidiro ho eo amin'ny tadivavarana ary akambano ny lay, ka dia ho iray ihany izy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

11 Manaova farango varahina dimampolo ka ampidiro ho eo amin’ny tadivavarana ireo farango ireo ary akambano ny lay, dia ho iray ihany izany.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 26:11
4 Rohy Ifampitohizana  

Hopetahana tadivavarana dimampolo ny sisin-damba farany amin’ny vitrana voalohany, ary hatao toy izany koa ny sisin-damba voalohany amin’ny vitrana faharoa.


Manaraka ny sakan’ny lamba temitra dia antsasaky ny ambainy fanampiny no hikiraviravy ao ivohon’ny Tranolay masina.


Hatambatra ho vitrana iray aloha ny lamba temitra dimy; avy eo dia hatao toy izany koa ny dimy hafa.


Farango volamena dimampolo no hamboarina mba hanakambanana ny vitrana roa, dia hatambatra ho iray ihany ny fonena-masina manontolo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra