Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 23:32 - DIEM PROTESTANTA

32 Aza manao fanekempihavanana amin’ireo na amin’ny andriamaniny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

32 Aza manao fanekena aminy na amin’ny andriamaniny.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

32 Aza manao fanekempihavanana amin’ireo na amin’ny andriamaniny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

32 Tsy hanao fanekem-pihavanana amin’izy ireo na amin’ny andriamanitr’izy ireo ianao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

32 Aza manao fanekena aminy na amin’ny andriamaniny hianao.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

32 Aza manao fanekena aminy na amin'ny andriamaniny ianao.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

32 Aza manao fanekena aminy na amin’ny andriamaniny.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 23:32
17 Rohy Ifampitohizana  

Niharoany ny hafa firenena sady nianarany ny fanaony;


«Tandremo tsara izay rehetra nandidiako anareo; ary aoka ny anaran’andriamani-kafa tsy hantsoina mihitsy, na ho re tononina akory eo aminareo.


Koa aza miankohoka eo anoloan’ny andriamaniny, na manao fanompoam-pivavahana aminy na mianatra ny fanaony, fa ravao mihitsy ny sarivongan’ireo sampiny sady potipoteho ny tsangambatony.


Tandremo tsara mba tsy hanao fanekempihavanana amin’ny mponina amin’ny tany izay hidiranareo, fa ho fandrika ho anareo izany.


Koa aza manao fanekempihavanana mihitsy amin’ny mponina amin’izany tany izany. Rehefa manao fanompoam-pivavahana sy manolotra sorona amin’ireo andriamaniny manko izy, dia hanasa anareo handray anjara, ka hihinana amin’ireo sorona fanaony koa ianareo.


Ahoana no hifanarahan’i Kristy amin’i Beliala? Anjara inona no hiraisan’ny mpino amin’ny tsy mpino.


mba tsy hampianarany anareo hanao ny zavatra mahatsiravina rehetra fanaony amin’ny andriamaniny, ka tsy hanotanareo amin’ilay TOMPO Andriamanitrareo.


Hatolotry ny TOMPO eo anoloanareo ireo ka araka ny didy nampitaiko manontolo taminareo no hataonareo aminy.


Ny TOMPO Andriamanitrareo no hampiditra anareo any amin’ny tany izay hidiranareo mba halainareo ho fananana. Firenena maro, firenena fito izay lehibe sy mahery noho ianareo, no horoahin’ny TOMPO hiala eo anoloanareo: dia ny Hetita sy ny Girgasîta, ny Amôrita sy ny Kanahanîta, ny Perizîta sy ny Hivîta ary ny Jebosîta.


Aoka hofongoranareo tsy hisy antra mihitsy ny firenena rehetra izay hatolotry ny TOMPO Andriamanitrareo; ary aza tompoinareo ny andriamaniny, fa ho fandrika hampanompo sampy anareo ireny.


Rehefa hatolotry ny TOMPO Andriamanitrareo ho eo ambany fahefànareo ireny ka horesenareo, dia ataovy ringana tanteraka. Aza manao fanekempihavanana aminy na mamindrafo aminy.


Nalain’i Josoa ny tany manontolo; noreseny avokoa ireo mpanjaka rehetra tany an-tendrombohitra sy ny faritra atsimo ary ny teny amin’ny lemak’i Sefelà sy ny kisolosolo, ka tsy nisy niangana; naringany avokoa izay rehetra manana aina, araka ny didy nomen’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely.


Fa novalian’ny Israelita hoe: –Angamba etỳ akaikinay etỳ ihany ianareo no monina, koa ahoana no hanaovanay fanekempihavanana aminareo?


Ianareo kosa tsy tokony hanao fifanekena amin’ny mponina amin’ity tany ity fa tokony handrava ny alitarany. Kanjo tsy nanaraka ny teniko ianareo! Ahoana izao nataonareo izao?


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra