Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Eksodosy 23:33 - DIEM PROTESTANTA

33 Aza avela honina ao amin’ny taninareo ireny fandrao mitarika anareo hanao fahadisoana amiko; satria raha manao fanompoam-pivavahana amin’ny andriamaniny ianareo, dia hanjary fandrika ho anareo izany.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

33 Tsy honina eo amin’ny taninao ireny, fandrao hampanota anao Amiko izy raha manompo ny andriamaniny ianao ka ho fandrika ho anao izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

33 Aza avela honina ao amin’ny taninareo ireny fandrao mitarika anareo hanao fahadisoana amiko; satria raha manao fanompoam-pivavahana amin’ny andriamaniny ianareo, dia hanjary fandrika ho anareo izany.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

33 Tsy honina eo amin’ny taninao ireny, fandrao mampanota anao amiko, sao dia hanompo ny andriamaniny ianao ka ho tonga fandrika ho anao izany.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

33 Tsy honina eo amin’ny taninao ireny, fandrao hampanota anao amiko; fa raha manompo ny andriamaniny hianao, dia ho fandrika aminao tokoa izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

33 Tsy honina eo amin'ny taninao ireny, fandrao hampanota anao amiko; fa raha manompo ny andriamaniny ianao, dia ho fandrika aminao tokoa izany,

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 23:33
17 Rohy Ifampitohizana  

Hanolotra an’i Israely amim-pahavalo Izy noho ireo fahotana nataon’i Jerôbohama sady nampanaoviny an’i Israely.


Kanjo nampivaona ny mponin’i Jerosalema sy ny Jodeanina i Manase mba hanao ratsy mihoatra noho ny firenena izay naringan’ny TOMPO teo anoloan’ny Israelita.


ary notompoiny ny sampin’ireny ka tonga fandrika ho azy izany.


Ary hoy ireo mpanompony tamin’ny Farao: –Mandra-pahoviana moa no mbola hamandrika antsika ilehiny? Alefaso handeha hanao fanompoam-pivavahana amin’ny TOMPO Andriamaniny any ny lehilahy israelita: Mbola tsy fantatrao ihany ve fa simba i Ejipta?


Koa aza miankohoka eo anoloan’ny andriamaniny, na manao fanompoam-pivavahana aminy na mianatra ny fanaony, fa ravao mihitsy ny sarivongan’ireo sampiny sady potipoteho ny tsangambatony.


Tandremo tsara mba tsy hanao fanekempihavanana amin’ny mponina amin’ny tany izay hidiranareo, fa ho fandrika ho anareo izany.


Rehefa voaringana eo anoloanareo ireny, dia mitandrema fandrao ho voafandrika hanaraka ny fanaony ianareo; mitandrema fandrao hamotopototra ny amin’ny andriamaniny ianareo sy hanontany izay fomba nanompoany azy mba hanaovanareo toy izany koa.


mba tsy hampianarany anareo hanao ny zavatra mahatsiravina rehetra fanaony amin’ny andriamaniny, ka tsy hanotanareo amin’ilay TOMPO Andriamanitrareo.


Ny TOMPO Andriamanitrareo no hampiditra anareo any amin’ny tany izay hidiranareo mba halainareo ho fananana. Firenena maro, firenena fito izay lehibe sy mahery noho ianareo, no horoahin’ny TOMPO hiala eo anoloanareo: dia ny Hetita sy ny Girgasîta, ny Amôrita sy ny Kanahanîta, ny Perizîta sy ny Hivîta ary ny Jebosîta.


Aoka hofongoranareo tsy hisy antra mihitsy ny firenena rehetra izay hatolotry ny TOMPO Andriamanitrareo; ary aza tompoinareo ny andriamaniny, fa ho fandrika hampanompo sampy anareo ireny.


ary hody ny sain’ireo ka ho afaka amin’ny fandriky ny devoly izay nanao azy sambo-belona hanaraka ny sitrapony.


Nalain’i Josoa ny tany manontolo; noreseny avokoa ireo mpanjaka rehetra tany an-tendrombohitra sy ny faritra atsimo ary ny teny amin’ny lemak’i Sefelà sy ny kisolosolo, ka tsy nisy niangana; naringany avokoa izay rehetra manana aina, araka ny didy nomen’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely.


dia fantaro tsara fa tsy hanohy handroaka azy eo anoloanareo intsony ny TOMPO Andriamanitrareo. Hanjary fandrika sy tonta ho anareo ireny firenena ireny, ary ho karavasy mamely eo an-damosinareo sy ho tsilo eo amin’ny masonareo ambara-pahalany ritra anareo tsy ho eto amin’ity tany soa nomen’ny TOMPO Andriamanitrareo anareo ity.


Ianareo kosa tsy tokony hanao fifanekena amin’ny mponina amin’ity tany ity fa tokony handrava ny alitarany. Kanjo tsy nanaraka ny teniko ianareo! Ahoana izao nataonareo izao?


Noho izany tapa-kevitra Aho fa tsy handroaka azy eo anoloanareo. Ho fandrika hamely anareo izy; ary ho longoa hahavoa anareo koa ny andriamaniny.


hoy izy manko anakampo: «Homeko ho vadiny i Mikàla hahazoako mamandrika azy, ary dia hamono hahafaty azy ny Filistinina.» (Fanindroany izao no nilazan’i Saoly tamin’i Davida ny hahavinantony azy)


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra