Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 21:26 - DIEM PROTESTANTA

26 «Raha misy olona mikapoka ny mpanompolahiny na ny mpanompovaviny ka mahapotsitra ny masony, dia hanome fahafahana ho an’ilay mpanompony izy ho onitry ny masony.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

26 Ary raha misy olona mikapoka ny mason’ny andevolahiny na ny mason’ny andevovaviny ka mahasimba azy dia homeny fahafahana izy noho ny masony.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

26 «Raha misy olona mikapoka ny mpanompolahiny na ny mpanompovaviny ka mahapotsitra ny masony, dia hanome fahafahana ho an’ilay mpanompony izy ho onitry ny masony.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

26 «Raha misy olona mamely ny mason’ny ankizilahiny na ny ankizivaviny, ka mahajamba ny masony, dia halefany ho afaka izy ho onitry ny masony.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

26 Ary raha misy olona mamely ny mason’ny andevolahiny na ny mason’ny andevovaviny ka mahasimba azy, dia halefany ho afaka izy noho ny masony.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

26 Ary raha misy olona mamely ny mason'ny andevolahiny na ny mason'ny andevova­viny ka mahasimba azy, dia halefany ho afaka izy noho ny masony.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

26 Ary raha misy olona mikapoka ny mason’ny andevolahiny na ny mason’ny andevovaviny ka mahasimba azy dia homeny fahafahana izy noho ny masony.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 21:26
14 Rohy Ifampitohizana  

Kanefa mba tahaka ireo mpiray firenena aminay ihany ny tenanay, ary tahaka ny zanak’ireo ihany ny zanakay; saingy na izany aza, dia voatery manolotra ny zanakay lahy sy vavy ho mpanompo izahay, ary ny sasany amin’ny zanakay vavy efa mpanompo rahateo. Tsy manan-ko enti-manavotra azy izahay, satria lasan’ny hafa ny sahanay sy ny tanimboalobokay».


Hitanao fa mijaly sy ory ny mahantra, ka mivonon-kanampy azy hatrany Ianao; Ianao no itokian’ny malemy, sady mamonjy ny kamboty.


Vonon-kihaino hatrany ny kamboty sy ny ampahorîna Ianao mba hanomezanao azy ny rariny. Dia ho foana tanteraka hatreo ny mpanjakazaka etỳ an-tany.


Ankalazao amin’ny zava-maneno ny TOMPO Izay monina ao Tsiôna, ary ambarao amin’ireo firenena ny zava-mahatalanjona nataony;


«Raha misy olona mikapoka ny mpanompolahiny na ny mpanompovaviny amin’ny hazo ka mahafaty azy, dia tsy maintsy faizina izy.


maso solon’ny maso, nify solon’ny nify, tanana solon’ny tanana, tongotra solon’ny tongotra,


may solon’ny may, ratra solon’ny ratra, mangana solon’ny mangana.


Raha nahafaka ny nifiny izy, dia hanome fahafahana ho an’ilay mpanompony ihany koa ho onitry ny nifiny.


Ary ianareo tompo, manaova toy izany koa amin’ny mpanomponareo, ka atsaharo ny fandrahonana; satria fantatrareo fa na ianareo, na ny mpanomponareo, dia samy an’ilay Tompo Izay monina ao an-danitra sady tsy mba mizaha tavan’olona.


Aza manao fitsarana miangatra, aza mizaha tavan’olona, ary aza mandray kolikoly; fa ny kolikoly mahajamba ny mason’ny hendry ka mampamadika ny raharahan’ny manan-drariny.


Ianareo tompo, ento araka ny rariny sy ny hitsiny ny mpanomponareo; satria fantatrareo fa ianareo koa mba manana Tompo any an-danitra.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra