Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 2:21 - DIEM PROTESTANTA

21 Nanaiky hipetraka tao amin’i Rehoela io i Mosesy. Nomen’ilay rangahy ho vadin’i Mosesy i Tsipôrà zanany vavy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

21 Ary sitrak’i Mosesy ny hitoetra tao amin-dRalehilahy. Koa i Zipora zanany vavy dia nomeny ho vadin’i Mosesy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

21 Nanaiky hipetraka tao amin’i Rehoela io i Mosesy. Nomen’ilay rangahy ho vadin’i Mosesy i Tsipôrà zanany vavy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

21 Ary nanaiky hitoetra tao amin-dralehilahy i Môizy ka nomen’io ho vadiny i Sefôrà zanany vavy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

21 Ary sitrak’i Mosesy ny hitoetra tao amin-dralehilahy. Ary Zipora zanani-vavy dia nomeny ho vadin’i Mosesy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

21 Ary sitrak'i Mosesy ny hitoetra tao amin-dralehilahy. Ary Zipora zananivavy dia nomeny ho vadin'i Mosesy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

21 Ary sitrak’i Mosesy ny hitoetra tao amin-dRalehilahy. Koa i Zipora zanany vavy dia nomeny ho vadin’i Mosesy.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 2:21
15 Rohy Ifampitohizana  

Ary rehefa lehibe ny zaza, dia nentiny tany amin’ny zanakavavin’ny Farao, ka nanjary zanany. Dia hoy ity andriambavy hoe: –Antsoiko hoe Mosesy izy satria avy tamin’ny rano nisarihako azy.


Ary hoy i Rehoela tamin’ny zanany vavy: –Aiza anefa izany lehilahy izany? Nahoana izy no nilaozanareo any? Ndeha alao izy mba hiara-misakafo amintsika.


Niandry ny ondrin’i Jetrao rafozany, mpisorona tao Midiana i Mosesy. Indray andro, rehefa avy nitondra ny ondry aman’osy tany ankoatra ny taniefitra izy, dia tonga tao Hôreba tendrombohitr’Andriamanitra.


Nandeha niverina tany amin’i Jetrao rafozany i Mosesy ka nanao taminy hoe: –Mba avelao aho handeha hiverina any amin’ireo mpiray firenena amiko any Ejipta, hijery raha mbola velona ihany izy ireo na tsia. Dia hoy i Jetrao taminy: –Mandehana soa aman-tsara!


Hoy i Mosesy tamin’i Hôbaba zanakalahin’i Rehoela izay terak’i Midiana sady rafozandahin’i Mosesy: –Mandeha hankany amin’ny tany izay nolazain’ny TOMPO homena anay izahay. Ndeha hiaraka aminay ianao fa homenay anjara amin’ny zava-tsoa nampanantenain’ny TOMPO ho an’i Israely.


Nanome tsiny an’i Mosesy i Miriama sy i Aharôna noho ny nanambadiany vehivavy kosita, fa nampakatra vehivavy kosita tokoa izy.


Vao nandre izany teny izany i Mosesy, dia vaky nandositra ka nifindra monina tany Midiàna, ary nanan-janaka roa lahy tany.


Eny, harem-be tokoa ny fivavahana ho an’ny olona mahay mianina amin’izay ananany;


fa naleony niara-nampahorîna tamin’ny vahoakan’Andriamanitra, toy izay hifaly amim-pahotana mandritra ny fotoana fohifohy.


Aza avela hahazo laka amin’ny fiainanareo ny fitiavam-bola; aoka ianareo hianina amin’izay anananareo, fa hoy Andriamanitra: «Tsy handao anao mihitsy Aho, ary tsy hahafoy anao velively.»


ary aoka Andriamanitra mampietry azy no hataon’ny havana mpanankarena ho reharehany, satria hihelina toy ny vonin’ireo ahitra eny an-tsaha ny mpanankarena.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra