Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 14:28 - DIEM PROTESTANTA

28 Nikatona ny ranomasina ka nandrakotra ny kalesy sy ny mpitaingin-tsoavaly; izay tafiky ny Farao manontolo nanenjika ny Israelita tao an-dranomasina dia tsy nisy afa-nitsoaka na iray aza.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

28 Nikatona ny rano ka nanarona ny kalesy fitondra miady sy ny mpitaingin-tsoavaly, dia ny miaramilan’i Farao rehetra izay niditra tao amin’ny ranomasina nanenjika ny Zanak’Israely; tsy nisy niangana na dia iray akory aza ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

28 Nikatona ny ranomasina ka nandrakotra ny kalesy sy ny mpitaingin-tsoavaly; izay tafiky ny Farao manontolo nanenjika ny Israelita tao an-dranomasina dia tsy nisy afa-nitsoaka na iray aza.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

28 Nony nikatona ny rano dia nanafotra ny kalesy ama-mpitaingin-tsoavaly mbamin’ny tafik’i Faraôna rehetra izay niditra ny ranomasina nanaraka ny zanak’i Israely: tsy nisy afa-nandositra na dia singany iray aza.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

28 Ary dia nikatona ny rano ka nanarona ny kalesy sy ny mpitaingin-tsoavaly, dia ny miaramilan’i Farao rehetra izay niditra teo amin’ny ranomasina nanenjika ny Zanak’Isiraely; koa tsy nisy niangana na dia iray akory aza.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

28 Ary dia nikatona ny rano ka nanarona ny kalesy sy ny mpitaingin-tsoavaly, dia ny miaramilan'i Farao rehetra izay niditra teo amin'ny ranomasina nanenjika ny Zanak'Isiraely; koa tsy nisy niangana na dia iray akory aza.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 14:28
16 Rohy Ifampitohizana  

Nisy andian-kalesy sy mpitaingin-tsoavaly koa niara-niakatra taminy, ka nafonja tokoa ny andian’olona mpanotrona.


Ary nihanahery ny rano sady nitombo be dia be, ka dia nandeha teny ambony rano ny sambofiara.


Rehefa tonga teo amin’ilay toerana fitazanana ny taniefitra ireto Jodeanina, dia nijery ity tafika goavana; ka indreo faty niampatrampatra tamin’ny tany no hitany, fa tsy nisy afa-nandositra.


Nosarahinao teo anoloan’ny razanay ny ranomasina ka nandeha teo afovoany nandia tany maina izy; fa ireo mpanenjika azy kosa natsipinao tao amin’ny hantsana ka nilentika tahaka ny vato amin’ny rano lalina.


dia ireo zava-mahagaga tao amin’ny tanin’i Hama ary koa ireo zava-mahatalanjona teo amin’ny Ranomasin’ny Volotara.


fa nanipy ny Farao sy ny tafiny tao; –eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany!


nentiny tamim-pilaminana ireo ka tsy natahotra, fa ny fahavalony no voasaron-dranomasina.


Fa namaly azy i Mosesy hoe: –Aza matahotra ianareo! Mahandrasa, fa ho hitanareo anio ny famonjena hataon’ny TOMPO aminareo! Satria ny Ejiptianina izay hitanareo androany dia tsy ho hitanareo intsony na oviana na oviana.


Saingy natsokanao ny rivotrao, dia norakofan’ny ranomasina ireo. Nilentika ao anaty ranomody toy ny vongam-piraka izy.


Rehefa niditra tao anaty ranomasina ny soavalin’ny Farao sy ny kalesiny ary ny mpitaingina azy, dia naverin’ny TOMPO hanafotra azy ireo ny ranomasina; fa ny Israelita kosa niampita teo afovoan’ny ranomasina nandia tany maina.


Niainga hamonjy ny olonao Ianao, eny, hamonjy ilay vahoaka voahosotrao. Aonganao ny filohan’ny andian’olon-dratsy; hatratỳ am-potony ka hatrany an-tampony no amotehanao izany andian’olon-dratsy izany.


teo ny nataon’ny TOMPO hamelezana ny tafika ejiptianina sy ny soavaliny aman-kalesiny, dia ny nanaronany azy tao amin’ny Ranomasin’ny Volotara fony nanenjika anareo izy ka voaringana tsy hisy intsony;


Finoana no nitan’ireo Israelita ny Ranomasina Mena toy ny nandia tany maina; fa nony mba nanandrana nanao toy izany ireo Ejiptianina, dia voatelin’ny rano.


Nanenjika ireo kalesy sy ny andian-tafiky ny fahavalony hatrany Harôseta-Gôima i Baràka; dia naringany tamin’ny sabatra avokoa ny miaramilan’i Siserà ka tsy nisy niangana na iray aza.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra