Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 10:17 - DIEM PROTESTANTA

17 Mba mamelà ny heloko amin’ity indray mandeha ity, ary mangataha amin’ny TOMPO Andriamanitrareo mba hanesorany amiko izao loza mahatsiravina izao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

17 Ankehitriny, miangavy anao aho, mamelà ny fahotako izao indray mandeha izao ihany ka mifonà amin’NY TOMPO Andriamanitrareo mba hampialany amiko izao zava-doza iray loha izao.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

17 Mba mamelà ny heloko amin’ity indray mandeha ity, ary mangataha amin’ny TOMPO Andriamanitrareo mba hanesorany amiko izao loza mahatsiravina izao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

17 Nefa mbola avelao re ny fahotako, fa ity indray mandeha ity ihany. Mangataha amin’i Iaveh Andriamanitrareo mba hanafahany ahy ahay, amin’ity loza mahafaty ity.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

17 Ary ankehitriny, masìna hianao mamelà ny fahotako izao indray mandeha izao ihany, ka mangataha amin’i Jehovah Andriamanitrareo hampialany amiko izao mahafaty iray loha izao monja.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

17 Ary ankehitriny, masìna ianao mamela ny fahotako izao indray mandeha izao ihany, ka mangataha amin'i Jehovah Andriamanitrareo hampialany amiko izao mahafaty iray loha izao monja.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

17 Ankehitriny, miangavy anao aho, mamelà ny fahotako izao indray mandeha izao ihany ka mifonà amin’NY TOMPO Andriamanitrareo mba hampialany amiko izao zava-doza iray loha izao.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 10:17
13 Rohy Ifampitohizana  

Ary hoy ny mpanjaka tamin’ilay olon’Andriamanitra: –Mba ifony amin’ny TOMPO Andriamanitrao re aho ka mivavaha ho ahy mba ho azoko ketrahina indray ny tanako. Dia nifona tamin’ny TOMPO ilay olon’Andriamanitra, ka azon’ny mpanjaka noketrahina indray ny tanany, ary tafaverina toy ny teo aloha.


Rehefa naroso anefa izany lasopy izany, ka samy nanandrana ny olona, dia nitaraina hoe: –Voapoizina ny lasopy, ry olon’Andriamanitra ô! Ary tsy azo nohanina tokoa izany.


Kanefa tamin’ity indray mandeha ity koa dia nanamafy fo ihany ny Farao ka tsy nandefa ny Israelita.


Dia nampiantso an’i Mosesy sy i Aharôna ny Farao ka nanao taminy hoe: –Mangataha amin’ny TOMPO mba hanesorany ny sahona amiko, dia halefako hanao sorona aminy ny Israelita.


Dia niala teo anatrehan’ny Farao i Mosesy sy i Aharôna. Ary nitaraina tamin’ny TOMPO i Mosesy momba ireo sahona izay efa namelezany ny Farao;


Dia nampiantso an’i Mosesy sy Aharôna ny Farao ka nilaza taminy hoe: –Diso aho tamin’ity indray mandeha ity. Izao sy ny vahoakako no meloka, fa ny TOMPO dia manao ny marina.


Mangataha amin’ny TOMPO mba hitsahatra ny kotro-baratra sy ny havandra, dia halefako ianareo fa tsy hotazoniko intsony.


TOMPO ô, fony azom-pahoriana izahay, dia nitady Anao tokoa; ary niantso vonjy taminao izahay, rehefa voaterin’ny famaizanao.


Dia nankeo amin’i Mosesy ny vahoaka sisa ka nanao hoe: –Efa nanota izahay fa nanome tsiny ny TOMPO sy ny tenanao. Koa ifony re ny TOMPO mba hanala ireo bibilava ireo aminay. Dia nifona ho an’ny vahoaka i Mosesy.


Dia hoy i Simôna tamin’i Petera sy i Jôhany: –Ianareo mihitsy no mangataha ho ahy amin’ny Tompo, mba tsy hisy hihatra amiko akory izay voalazanareo.


Noho ny amin’i Jesoa Kristy Tompontsika ary noho ny fitiavana avy amin’ny Fanahy Masina, dia izao, ry havana, no angatahiko aminareo: aoka hiara-miady amiko ianareo ka hivavaka amin’Andriamanitra ho ahy.


Izy no nanafaka anay tamin’ny fahafatesana nananontanona anay, ary dia mbola hanafaka any hatrany; eny, Izy no antenainay fa hanafaka hatrany,


Ankehitriny, miangavy anao re aho, mamelà ny heloko ka miverena miaraka amiko mba hahazoako miankohoka eo anatrehan’ny TOMPO.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra