Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Daniela 9:14 - DIEM PROTESTANTA

14 Koa izany, Tompo ô, no nitahirizanao ny loza ka nampiharanao izany taminay; fa marina Ianao Tompo Andriamanitray amin’ny asa rehetra nataonao, saingy izahay no tsy nihaino ny feonao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

14 Koa izany no nitahirizan’NY TOMPO ny loza ka nataony mihatra Taminay, fa marina NY TOMPO Andriamanitray amin’ny asany rehetra izay nataony, fa izahay no tsy nihaino ny feony.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

14 Koa izany, Tompo ô, no nitahirizanao ny loza ka nampiharanao izany taminay; fa marina Ianao Tompo Andriamanitray amin’ny asa rehetra nataonao, saingy izahay no tsy nihaino ny feonao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

14 Koa izany no nitehirizan’i Jehovah ny loza, ka nataony mihatra aminay, fa marina Jehovah Andriamanitray amin’ny asany rehetra izay efa nataony; fa izahay no tsy nihaino ny feony.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

14 Koa izany no nitehirizan'i Jehovah ny loza, ka nataony mihatra aminay, fa marina Jehovah Andriamanitray amin'ny asany rehetra izay efa nataony; fa izahay no tsy nihaino ny feony.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

14 Koa izany no nitahirizan’NY TOMPO ny loza ka nataony mihatra Taminay, fa marina NY TOMPO Andriamanitray amin’ny asany rehetra izay nataony, fa izahay no tsy nihaino ny feony.

Jereo ny toko dika mitovy




Daniela 9:14
16 Rohy Ifampitohizana  

Dia niaiky hadisoana ny mpanjaka sy ireo mpifehy ny Israelita tatsimo ka nanao hoe: –Rariny ny an’ny TOMPO!


Ry TOMPO Andriamanitr’i Israely ô, miantra Ianao ka mbola misy sisa afaka ihany izahay amin’izao anio izao; indreto izahay vesaran’ny fahotanay eto anatrehanao, na dia tsy tokony hisy hahajanona eto anatrehanao aza noho izany.»


Mandala ny rariny Ianao tamin’izay rehetra nanjo anay; satria marina ny nataonao, fa izahay no nanao ratsy.


Mahatoky sy ara-drariny ny asa vitany; azo antoka avokoa ny fandaharany:


Miantra sy marina ny TOMPO, mamindrafo ny Andriamanitray.


Mandala ny rariny Ianao, TOMPO ô, ary mahitsy ny fitsipikao.


Avereno amiko ny hafalian’ny voavonjy; ilay Fanahinao mampazoto no anohany ahy.


Dia nampiantso an’i Mosesy sy Aharôna ny Farao ka nilaza taminy hoe: –Diso aho tamin’ity indray mandeha ity. Izao sy ny vahoakako no meloka, fa ny TOMPO dia manao ny marina.


TOMPO ô, mpandala ny rariny Ianao ka tsy tokony mifandahatra aminao aho. Nefa ny amin’ireto toe-javatra ireto dia te hiady hevitra aminao aho. Nahoana no ahitam-pahombiazana ny lalana ombàn’ny olon-dratsy? Ary nahoana no miadam-pinaritra ireo rehetra mpivadika aminao?


Mandraka ankehitriny dia nilofo namely azy Aho, mba hanongotra sy hanjera, hanapotika sy handrava, ary hanisy ratsy azy. Fa izao kosa hilofo hanasoa azy Aho mba hanarina sy hampiorina; teny hentitra avy amiko TOMPO izany.


Manodidina an’i Jerosalema tahaka ny olona miandry saha izy. Vokatry ny fikomianao tamiko izao, teny hentitry ny TOMPO izany.


Indro himasoako aminareo ny hahatonga loza fa tsy soa. Koa ny Jodeanina rehetra izay atỳ Ejipta dia ho ringan’ny ady sy ny mosary mandra-pahalany ritra azy.


Ny fahavalony no lasa ambony ary ny mpiady aminy no miadana; satria ny TOMPO no mampahory an’i Tsiôna noho ireo fahadisoany maro. Atosi-pahavalo ireo zanany madinika no lasa ho any an-tsesitany.


Satria tsy nahatsiaro izay vitako taminao fony fahazaza ianao fa nampahatezitra Ahy tamin’ireo ratsy rehetra ireo, dia hatambesatro aminao ny vokatry ny fitondrantenanao! Teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany. Moa tsy nanao izany toetra tsivalahara izany ve ianao ho fanampin’ny fanompoan-tsampy rehetra vitanao?»


Koa ankehitriny, izaho Nebokadnetsara dia midera sy mankalaza ary manome voninahitra ilay Mpanjakan’ny lanitra; fa marina izay ataony rehetra, mahitsy ny asany rehetra. Ary hainy aetry aza izay mitondra tena amim-piavonavonana.


Anao ny fahamarinana, Tompo ô, ary anay kosa ny fahamenarana tahaka ny amin’izao anio izao, dia anay olon’i Joda sy mponin’i Jerosalema ary an’ireo Israelita hafa rehetra na ny lavitra na ny akaiky, any amin’ny tany rehetra izay efa nandroahanao azy noho ny fahadisoana vitany taminao.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra