Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Daniela 8:17 - DIEM PROTESTANTA

17 Dia nanatona ilay toerana nijoroako i Gabriela; ka rehefa tonga izy, dia natahotra aho ka nikarapoka tamin’ny tany. Fa hoy izy tamiko: ‹Aoka ho fantatrao, ry ilay taranak’olombelona, fa iny fahitana iny dia momba ny fiafaran’ny fotoana.›

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

17 Dia nankeo amin’ilay nitsanganako izy; ary nony tonga izy dia raiki-tahotra aho ka niankarapoka tamin’ny tany. Nefa hoy izy tamiko: Aoka ho fantatrao, ry zanak’olona, fa io fahitana io dia milaza ny farany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

17 Dia nanatona ilay toerana nijoroako i Gabriela; ka rehefa tonga izy, dia natahotra aho ka nikarapoka tamin’ny tany. Fa hoy izy tamiko: ‹Aoka ho fantatrao, ry ilay taranak’olombelona, fa iny fahitana iny dia momba ny fiafaran’ny fotoana.›

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

17 Ary dia nankeo amin’ilay nitsanganako izy; ary nony tonga izy, dia raiki-tahotra aho ka nikarapoka nihohoka; nefa hoy izy tamiko: Aoka ho fantatrao, ry zanak’olona, fa io fahitana io dia milaza ny farany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

17 Ary dia nankeo amin'ilay nitsanganako izy; ary nony tonga izy, dia raiki-tahotra aho ka nikarapoka nihohoka; nefa hoy izy tamiko: Aoka ho fantatrao, ry zanak'olona, fa io fahitana io dia milaza ny farany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

17 Dia nankeo amin’ilay nitsanganako izy; ary nony tonga izy dia raiki-tahotra aho ka niankarapoka tamin’ny tany. Nefa hoy izy tamiko: Aoka ho fantatrao, ry zanak’olona, fa io fahitana io dia milaza ny farany.

Jereo ny toko dika mitovy




Daniela 8:17
27 Rohy Ifampitohizana  

Dia niankohoka i Abrama; ary hoy indray Andriamanitra taminy:


Ny fahazavana manodidina azy dia tahaka ny an’ny avana izay mamirapiratra amin’ny andro manerika. Taratry ny voninahitry ny TOMPO izany. Nony nahita izany aho, dia nikarapoka nihohoka hatreo amin’ny tany, ary nandre feo niteny tamiko.


Ary hoy ilay feo tamiko: «Ry ilay taranak’olombelona, mitsangàna ianao fa hiteny aminao Aho.»


Avy eo dia nentin-dralehilahy niditra ny vavahady avaratra ho eo anoloan’ny tempoly aho. Hitako ny voninahitry ny TOMPO fa nameno ny trano; koa lavo nihohoka nitehi-tany aho.


«Ry ilay taranak’olombelona, atodiho eny amin’ireo tendrombohitr’i Israely ny fijerinao ka ijoroy ny maha-mpaminany anao hamelezako an’ireo mponina eny.


Ary hoy izy tamiko: ‹Ry Daniela, fatra-pitia anao Andriamanitra, ka fantaro izao teny ambarako anao izao; ary mijoroa eo amin’ny toeranao, satria nirahina hanketỳ aminao aho ankehitriny›. Rehefa voalazany tamiko izany teny izany, dia nitsangana aho nefa mbola nangozohozo ihany.


Fa indro nisy anankiray nanana endrik’olombelona nanendry ny molotro; dia nanoka-bava aho ka niteny tamin’ilay nitsangana teo anilako hoe: ‹Noho ny fahitana, tompoko, dia nitebiteby aho ka tsy nanan-kery intsony.


Ary ireo mpanjaka roa ireo dia samy haniry hanao ratsy ao am-pony avy ka hifampiresaka lainga eo amin’ny latabatra iray; nefa tsy hahomby izany satria amin’ny fotoanandro voatendry ihany no hiafaran’ny raharaha.


«Ary amin’ny fotoana farany dia hanoto azy indray ny mpanjaka ao atsimo, nefa ny mpanjaka ao avaratra dia hipaoka azy toy tafio-drivotra miaraka amin-kalesy sy mpitaingi-tsoavaly ary sambo marobe; ary hiditra amin’ny tany isan-karazany izy ka hihoatra sisintany ombàn-tafika sy hipariaka toy ny ranovaky.


Fa ianao, ry Daniela, mizora hatramin’ny farany; dia hiala sasatra ianao ka hitsangana handray ny valisoanao amin’ny andro farany.› »


«Ry Daniela, ahorony hiafina ireo teny ireo ka asio tombo-kase tsy ho azo sokafana ity boky ity ambara-pahatongan’ny fotoana farany; ho maro amin’izay no hamaky azy ka hitombo fahalalana.


Dia niankohoka i Nebokadnetsara mpanjaka, ka nanome voninahitra an’i Daniela ary nampanolotra fanomezana sy zava-manitra ho azy.


Dia nanatona ny anankiray tamin’izay nitsangana teo aho ary nanontany azy ny tena hevitr’ireo rehetra ireo. Koa nambarany tamiko sady nampahafantariny ahy ny dikany.


«Izaho Daniela kosa, raha mbola teo am-pijerena izany fahitana izany ka nitady hahafantatra ny heviny, dia indro nisy tahaka ny endrik’olona anankiray nijoro teo anoloako.


Avy eo dia hoy i Gabriela tamiko: «Indro hampahafantariko anao izay hiseho amin’ny fotoana voatendry hiafaran’ny fahatezeran’Andriamanitra.


Ary izaho Daniela dia reraka sy nandraiki-narary andro vitsivitsy. Avy eo dia nitsangana aho ka nanao ny raharahan’ny mpanjaka. Gaga tamin’izany fahitana izany aho satria tsy no fantatro ny heviny.


Fa raha vao nanomboka ny vavakao, dia nisy hafatra navoakan’Andriamanitra ka tonga aho hampita azy aminao, satria fatra-pitia anao Andriamanitra. Koa diniho izany hafatra izany ary fantaro ny hevitr’ilay fahitana.


Ary amin’ny fito taona farany dia hampihatra fanerena henjana amin’ny olona maro izy, ka afaka telo taona sy tapany monja dia hampitsahatra ny sorona sy ny fanatitra. Fanompoan-tsampy maharikoriko no hanesika izany mpandrava izany mandra-pigadon’ny famongorana izay voatendry hiantonta aminy.


Fa tsy mbola tonga ny fotoana hahatanteraka io fahitana io; kanefa ho avy tsy ho ela ny farany ary tsy hamitaka velively. Andraso amim-pahatokiana na toa mitaredretra aza, fa ho avy tokoa ary tsy hahemotra izany.


Dia niandrandra hijery izy telo lahy, ka tsy nahita olona afa-tsy i Jesoa irery ihany.


Vao nahita ny Zanak’olona aho, dia lavo niankohoka toy ny maty teo anoloan’ny tongony. Fa nametraka teo amboniko ny tanany ankavanana Izy ka nanao hoe: –Aoka izay ny tahotra! Izaho no Voalohany sy Farany,


Izaho Jôhany no nahare sady nahita ireo zavatra ireo. Ary rehefa nahare sady nahita aho, dia niankohoka teo an-tongotr’ilay anjely mba hitsaoka azy,


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra