Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Daniela 5:28 - DIEM PROTESTANTA

28 PERESA: Voazara, voazara ny fanjakanao ka omena ny Medianina sy ny Persianina.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

28 PARESA: Voazara: Zarazaraina ny fanjakanao ka omena ho an’ny Mediana sy ny Persiana.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

28 PERESA: Voazara, voazara ny fanjakanao ka omena ny Medianina sy ny Persianina.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

28 paresa, zarazaraina ny fanjakanao ka omena ho an’ny Mediana sy ny Persiana.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

28 Paresa, zarazaraina ny fanjakanao ka omena ho an'ny Mediana sy ny Persiana.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

28 PARESA: Voazara: Zarazaraina ny fanjakanao ka omena ho an’ny Mediana sy ny Persiana.

Jereo ny toko dika mitovy




Daniela 5:28
16 Rohy Ifampitohizana  

«Izao no lazain’i Kirôsa amperôran’i Persia: Ny TOMPO Andriamanitry ny lanitra dia efa nanome ahy ny fanjakana rehetra ambonin’ny tany ary efa nandidy ahy hanorina tempoly ho Azy any Jerosalema, izay ao amin’ny tanin’i Joda. Koa aoka ianareo rehetra izay anisan’ny vahoakan’ny TOMPO mba hiakatra any Jerosalema! Hiaraka aminareo anie ilay TOMPO Andriamanitrareo!»


Hoy ny TOMPO hoe: «Indro hampirisihiko hamely azy ny Medianina izay tsy tia volafotsy sady tsy mankamamy volamena.


–Misy fahitana mahatsiravina naseho tamiko ny amin’izany. Lasa mpamadika fatra-pamadika sy mpandrava fatra-pandrava tokoa ny firenena sakaiza fahiny. «Miakara hanafika, ry Helamita; ataovy fahirano ny tanàna, ry Medianina, fa hatsahatro ny fampihorohoroana rehetra nafitsony, hoy ny Tompo.»


Koa indro hihatra aminao ny loza izay tsy hainao avily hidify anao; indro hiantonta aminao ny fahavoazana izay tsy azonao iarovan-tena; eny, hihatra tampoka aminao ny faharavana, dia faharavana izay tsy ampoizinao.


Hataoko mihatra amin’izany tany izany ny loza rehetra izay efa nolazaiko. Voasoratra ao anatin’ity boky ity ireny, dia araka izay efa nambaran’ny mpaminany Jeremià ny amin’ny firenena rehetra.


Entano ny firenena maro hamely azy, indrindra fa ny mpanjakan’i Medianina, ny governora rehetra sy ny lefiny ary ny faritany manontolo izay iadidiany.


Volamena madio ny lohan’io sarivongana io, volafotsy kosa ny tratrany sy ny tanany, halimo ny kibony sy ny feny,


Hisy fanjakana malemy kokoa noho ny anao, hitsangana aorianao; avy eo dia hisy fanjakana fahatelo izay ambaran’ny halimo ka hitatra amin’ny tany manontolo.


Izy no mamonjy sy manafaka ary manao famantarana sy zava-mahagaga any an-danitra sy etỳ an-tany; Izy no namonjy an’i Daniela ho afaka tamin’ny vahohon’ny liona.»


Ny mpitantan-draharaha ambony ato amin’ny fanjakana sy ny mpanapaka sy ny solotenan’andriamanjaka sy ny mpanolotsaina ary ny governora dia nifanaraka fa tokony hamoaka lalàm-panjakana ianao, ry mpanjaka, fa ato anatin’ny telopolo andro, na iza na iza manao fivavahana na amin’Andriamanitra na amin’olona, afa-tsy aminao ihany, ry mpanjaka ô, dia hatsipy ao an-davaky ny liona izy.


Ny ondrilahy izay hitanao nanana tandroka roa dia manondro ny fanjakana medianina sy persianina.


Tamin’ny taona voalohany nanjakan’i Dariôsa zanakalahin’i Kserksesa, avy amin’ny taranaky ny Medianina, izany hoe tamin’ny taona voalohany nanjakany tamin’ny fanjakana babilônianina,


Misy amintsika avy any Partia, Media, Elama ary misy mponina any Mezôpôtamia; misy mponina eto Jodea; misy koa ny any Kapadôsia, Pônto, Azia,


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra