Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Daniela 1:15 - DIEM PROTESTANTA

15 Ary nony tapitra ny folo andro, dia hita fa tsara endrika sy natavy kokoa izy noho ny zatovo rehetra izay nihinana ny hanina fihinan’ny mpanjaka.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

15 Nony tapitra ny hafoloana dia hita fa mandimandina sy matavy aza ny tarehin’izy ireo noho ny an’ny zatovo hafa rehetra izay nihinana anjara avy tamin’ny hanin’ny mpanjaka.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

15 Ary nony tapitra ny folo andro, dia hita fa tsara endrika sy natavy kokoa izy noho ny zatovo rehetra izay nihinana ny hanina fihinan’ny mpanjaka.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

15 Ary nony tapitra ny hafoloana, dia hita fa mandimandina sy matavy aza ny tarehiny noho ny an’ny zatovo rehetra izay nihinana anjara avy tamin’ny hanin’ny mpanjaka.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

15 Ary nony tapitra ny hafoloana, dia hita fa mandimandina sy matavy aza ny tarehiny noho ny an'ny zatovo rehetra izay nihinana anjara avy tamin'ny hanin'ny mpanjaka.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

15 Nony tapitra ny hafoloana dia hita fa mandimandina sy matavy aza ny tarehin’izy ireo noho ny an’ny zatovo hafa rehetra izay nihinana anjara avy tamin’ny hanin’ny mpanjaka.

Jereo ny toko dika mitovy




Daniela 1:15
11 Rohy Ifampitohizana  

Aleo ny kely ananan’ny olo-marina toy izay ny harem-ben’ny olon-dratsy,


Izaho TOMPO Andriamanitrareo irery ihany no hivavahanareo; amin’izay Aho dia hitahy anareo ka hanome anareo sakafo sy fisotro, sady hampanalavitra ny aretina aminareo.


Ny fitahian’ny TOMPO no mampanankarena; ary tsy manampy inona amin’izany ny ezaky ny olona.


Dia nekeny izany soso-kevitra izany, ka notsapainy nandritra ny folo andro izy efa-dahy.


Namafy be ianareo nefa kely no jinjainareo; mihinana ianareo nefa tsy voky ary misotro nefa tsy afa-po; mitafy ianareo nefa tsy mafana; ary ny karaman’ny mpiasa dia mora lany toy ny amin’ny kitapo loaka.»


Vokatra betsaka no nantenainareo, nefa hitanareo fa kely no azo. Ary izay notaominareo dia notsofiko hiparitaka. Koa manontany hentitra anareo Izaho TOMPOn’izao rehetra izao hoe: Ahoana izany? Valiny: Satria rava ny tranoko nefa ianareo samy sahirana manao ny tranonareo avy.


Fa novalian’i Jesoa hoe: –Izao no voalazan’ny Soratra Masina: «Tsy ny mofo ihany no hiveloman’ny olona, fa ny teny rehetra aloaky ny vavan’Andriamanitra.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra