Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




3Jaona 1:7 - DIEM PROTESTANTA

7 fa ho voninahitr’i Kristy no niaingan’ireo sady tsy anekeny handray na inona na inona avy amin’ny tsy kristianina.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

7 Fa noho ny Anarana no niaingany, nefa tsy nandray na inona na inona avy tamin’ny Jentilisa izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

7 fa ho voninahitr’i Kristy no niaingan’ireo sady tsy anekeny handray na inona na inona avy amin’ny tsy kristianina.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

7 fa ho voninahitry ny Anarany no nandehanan’izy ireo, ka tsy nandray na inona na inona tamin’ny Jentily izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

7 fa noho ny Anarana no niaingany, ka tsy naka na inona na inona tamin’ny jentilisa izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

7 fa noho ny Anarana no niangany, ka tsy naka na inona na inona tamin'ny jentilisa izy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

7 Fa noho ny Anarana no niaingany, nefa tsy nandray na inona na inona avy tamin’ny Jentilisa* izy.

Jereo ny toko dika mitovy




3Jaona 1:7
17 Rohy Ifampitohizana  

Fa izany rehetra izany dia hataony aminareo noho ny amiko, satria tsy fantany Ilay naniraka Ahy.


Tsy mba nisy volafotsy na volamena na fitafian’iza na iza notsiriritiko.


Efa nasehoko anareo tamin’ny zavatra rehetra fa tsy maintsy mikely aina toy izany koa ianareo mba hanampiana ny mahantra. Tsarovy ireo tenin’i Jesoa Tompo fa Izy mihitsy no nilaza hoe: «Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.»


Koa tamin-kafaliana no nialan’ny apôstôly teo amin’ny Fitsarana ambony, satria nataon’Andriamanitra mendrika halaim-baràka ho voninahitr’i Jesoa.


Koa ireo naelin’ny fanenjehana dia nitety tany nitory ny Vaovao Mahafaly raketin’ny tenin’Andriamanitra.


Hasehoko azy ny mafy rehetra tsy maintsy hiaretany ho voninahitro.


Inona àry no mba valisoa azoko? Dia izao: afa-manolotra maimaimpoana ny Vaovao Mahafaly izay torîko aho, ka tsy mampiasa ny zo omen’ny Vaovao Mahafaly.


Fa inona moa no mahalatsa-danja anareo noho ny Fiangonana hafa, afa-tsy hoe angaha tsy nanahirana anareo aho? Mamelà ny hadisoako fa tsy rariny tokoa izany!


Tsy ny tenanay manko no ambaranay rehefa mitoriteny izahay, fa i Jesoa Kristy Tompo; izahay kosa dia milaza ny tenanay ho mpanomponareo noho ny amin’i Jesoa.


Izany no nanandratan’Andriamanitra Azy ho eo amin’ny toerana faratampony, sy nanomezany Azy ilay anarana, izay ambony noho ny anarana rehetra;


Ankehitriny aho dia mifaly amin’ny fijaliana iaretako noho ny aminareo, satria miferinaina ara-batana aho ka mameno izay tsy ampy tamin’ny fahorian’i Kristy ho an’ny tenany, izany hoe ho an’ny Fiangonana.


Koa isika no tokony hanohana ny olona toy ireny mba ho mpiara-miasa aminy hampiely ny hafatra marim-pototra.


ary manana faharetana ianao, ka mizaka ny mafy noho ny amiko sady tsy ketraka.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra