Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Timoty 3:2 - DIEM PROTESTANTA

2 satria ho tia tena ny olona, ho matimatim-bola, ho mpandoka tena, ho mpiavonavona, ho mpanevateva an’Andriamanitra, tsy hanoa ray aman-dreny, tsy hahay mankasitraka, tsy hanaja ny zavatra masina,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

2 Ny olona dia ho tia tena, ho tia vola, ho mpandoka tena, ho mpiavonavona, ho mpiteny ratsy, tsy manoa ray sy reny, tsy mahay mankasitraka, tsy manaja izay masina,

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

2 satria ho tia tena ny olona, ho matimatim-bola, ho mpandoka tena, ho mpiavonavona, ho mpanevateva an’Andriamanitra, tsy hanoa ray aman-dreny, tsy hahay mankasitraka, tsy hanaja ny zavatra masina,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

2 fa ho tia tena ny olona, ho tia vola, ho mpandoka tena, mpiavonavona, mpiteny ratsy, mpanohi-dray aman-dreny, tsy mankasitraka, tsy tia vavaka,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

2 Fa ny olona ho tia tena, ho tia vola, ho mpandoka tena, mpiavonavona, miteny ratsy, tsy manoa ray sy reny, tsy misaotra, tsy manaja izay masina,

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

2 Fa ny olona ho tia tena, ho tia vola, ho mpandoka tena, mpiavonavona, miteny ratsy, tsy manoa ray sy reny, tsy misaotra, tsy manaja izay masina,

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

2 Ny olona dia ho tia tena, ho tia vola, ho mpandoka tena, ho mpiavonavona, ho mpiteny ratsy, tsy manoa ray sy reny, tsy mahay mankasitraka, tsy manaja izay masina,

Jereo ny toko dika mitovy




2Timoty 3:2
43 Rohy Ifampitohizana  

Mibitaka erỳ ny olon-dratsy fa mahazo izay nirîny; kanefa ny TOMPO tsiratsirainy sady hamavoiny tokoa.


Inona moa no hatahorako amin’ny andro fahoriana, raha manodidina ahy ny mpisompatra mandoza


Tao amin’ny tahirin-kiran’ny filohan’antoko-mpihira. Tononkalo fananarana nataon’i Davida,


Ny famaky ve hirehareha amin’ny mpikapa? Ny tsofa ve hiavonavona amin’ny mpanatsofa? Mova tsy hoe ny tsorakazo indray no manetsika izay mpanainga azy, na mova tsy hoe ny kibay indray no manandratra ny olona mampiasa azy!


«Ary ny mpanjaka hanao araka izay sitrapony; dia hanandra-tena sy hihevi-tena ho ambonin’ny andriamanitra rehetra ka hiteny zava-mampivarahontsana hanohitra an’ilay Andriamanitry ny andriamanitra. Ary hanam-pahombiazana izy ambara-pihatran’ny fahatezeran’Andriamanitra, satria ho tanteraka izay efa voatendry.


Hilaza teny manohitra ny Avo Indrindra izy, hampahory ny vahoakan’ilay Avo Indrindra sady mihevitra hanova ny fankalazana sy ny lalàna; ary hatolotra eny an-tanany nandritra ny telo taona sy tapany io vahoakan’Andriamanitra io ireo.


dia tsy mahazo manolotra mari-panajana ho an’ny rainy na ny reniny intsony.» Koa ny fomba amam-panaonareo no nanafoananareo ny tenin’Andriamanitra.


Dia hoy i Jesoa tamin’ny vahoaka: –Mitandrema! Aoka tsy ho voan’ny fangoronan-karena isan-karazany ianareo, fa ny ain’olona tsy miankina amin’ny habetsahan’ny fananany!


Fatra-pitia vola ny Farisianina ka naneso an’i Jesoa nony nandre izany teny rehetra izany.


Fa ianareo kosa, tiavo ny fahavalonareo, manasoava azy ary mampisambora tsy manantena valiny, dia ho lehibe ny valisoa miandry anareo; ary ianareo ho zanaky ny Avo indrindra, dia Ilay mora fo amin’ny tsy mahay mankasitraka sy ny ratsy fanahy.


Vao tsy ela akory no nijoroan’i Teodasy, izay nanao ny tenany ho zavatra; nisy sahabo ho efajato lahy ireo niandany taminy. Novonoina izy, ary nihahaka izay rehetra nanaraka azy, ka tonga tsinontsinona.


Koa aza mirehareha amin’ireo rantsana nesorina ireo ianao. Fa raha mirehareha aza ianao, tsy ianao no mitondra ny foto-kazo, fa ny foto-kazo no mitondra anao.


Maty hamonjy ny olona rehetra ny olona anankiray, mba tsy ho velona ho an’ny tenany intsony ireo velona, fa ho an’Ilay efa maty sy nitsangana velona hamonjy azy.


Eny, ny hafa rehetra dia samy miraharaha izay azy ihany, fa tsy ny an’i Jesoa Kristy.


Vonoy ireo zavatra etỳ an-tany mangeja ny tenanareo: dia ny fijangajangana, ny fahalotoana, ny filàndratsy, ny fitsiriritan-dratsy, ary ny fitiavan-karena (fa fanompoan-tsampy ny fitiavan-karena).


Hijoroan’ilay mpanao ratsy ho fahavalo sady hotoheriny avokoa izay rehetra ataon’ny olona ho andriamanitra na izay rehetra toloran’ny olona fanompoam-pivavahana; hidirany sy hipetrahany hatramin’ny tempolin’Andriamanitra aza, ka ny tenany no hanora-tena ho Andriamanitra.


anisan’ireny ry i Himeneo sy i Aleksandra izay natolotro an’i Satàna mba ho faizina tsy hanevateva an’Andriamanitra intsony.


Tokony hotsarovana fa ny lalàna dia tsy natao ho an’ny manao ny marina, fa ho an’ny mpandika lalàna sy ny maditra: dia ny olon-dratsy sy ny mpanota, ny olona mpaniratsira an’Andriamanitra sy mpanimbazimba fivavahana, ny mpamono ray sy mpamono reny, ny mpamono olona,


tsy tokony ho mpidoroka na hahery vaika, fa handefitra, tsy ho fiadîna, tsy ho matimatim-bola;


Fa ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra; ny olona sasany, fatra-pitady izany, dia efa tafavily niala tamin’ny finoana, ka nandefon-tena tamin’ny fijaliana maro.


dia mieboebo foana ary tsy mahalala na inona na inona, fa adalan’ny fiadian-kevitra sy ny fiadian-teny; vokatr’izany: fialonana, fifandirana, fanevatevana, ahiahy ratsy,


ho mpamadika, ho kirîna, ho mpieboebo, hankamamy ny fahafinaretana toy izay hankamamy an’Andriamanitra,


Tsara ny ataonareo raha tanterahinareo ilay lalàna momba ny Fanjakàn’Andriamanitra, araka ny Soratra Masina manao hoe: «Tiavo ny namanao tahaka ny itiavanao ny tenanao».


fa izao ianareo dia sahy mirehareha sy mandoka tena; ratsy avokoa ny fireharehana toy izany.


Manome antsika fahasoavana lehibe lavitra anefa Andriamanitra, satria hoy ny Soratra Masina: «Toherin’Andriamanitra ny mpiavonavona, fa omeny fahasoavana kosa ny manetry tena.»


Toy izany koa ianareo mbola tanora fanahy, maneke ny loholona. Ary ianareo rehetra, samia mitafy fanetrentena ka mifanompoa, fa hoy ny Soratra Masina hoe: «Toherin’Andriamanitra ny mpiavonavona fa omeny fahasoavana kosa ny manetry tena.»


indrindra fa ireo nizotra nanaram-po tamin’ny filàndratsin’ny maha olona mpanota sy nanamavo ny maha Tompo an’i Kristy. Ireo mpampianatra sandoka ireo dia olona sahy zavatra sy mitompo teny fantatra sady tsy matahotra hanevateva ireo atao hoe voninahitra;


Ry zareo kosa dia manahaka ny biby tsy manan-tsaina, sady entim-pahazarana no teraka ho fisambotra sy ho famono; manevateva ny zavatra tsy fantany ireo, ka dia hovonoina tahaka ny amonoana ny biby tsy manan-tsaina:


Teny manodoka sy tsy misy heviny no ataony; ka ny filàndratsin’ny maha olona mpanota, dia ny fitondrantena maloto, no entiny mamitaka ny olona izay vao nandao ny fiainana diso lalana.


Tia harena loatra ry zareo ka hataony filàm-bola ianareo amin’ny fampiasana teny mamitaka; saingy hatry ny ela dia tsy mitsahatra ny fanamelohana azy ary efa hihatra aminy koa ny fahaverezana.


Ireo mpampianatra sandoka ireo dia mpimonomonona sy mpimoimoy lava, sady miaina araka ny filàndratsiny no miavonavom-piteny, ka mandoka olona mba hahazoany tombon-tsoa.


Dia nahita biby anankiray nipoitra avy tany an-dranomasina aho; nanana tandroka folo sy loha fito izy; nisy satroboninahitra iray avy isaky ny tandrony; ary nisy anarana iray manevateva an’Andriamanitra isaky ny lohany.


Kanefa ny manevateva ilay Andriamanitra monina ao an-danitra no nataony noho ny fanaintainana sy ny vay nanjo azy fa tsy ny miova toetra miala amin’ny asa ratsiny.


ny olona, nilatsahan’ny havandra vaventy avy tany an-danitra, dia havandra milanja tokony ho efapolo kilao ny anankiray. Ary nanevateva an’Andriamanitra ny olona noho ny loza vokatry ny havandra, fa lehibe loatra izany loza izany!


Ary main’ny hafanana be ny olona; kanefa ny manevateva ny anaran’Andriamanitra Izay manam-pahefana amin’ireny loza ireny no nataony, fa tsy ny miala amin’ny toe-dratsiny mba hanome voninahitra an’Andriamanitra.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra