Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Timoty 2:7 - DIEM PROTESTANTA

7 Saino izay lazaiko, fa homen’ny Tompo fahazavan-tsaina momba ny zavatra rehetra ianao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

7 Diniho izay lazaiko fa homen’ny Tompo fahazavan-tsaina ny amin’ny zavatra rehetra ianao.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

7 Saino izay lazaiko, fa homen’ny Tompo fahazavan-tsaina momba ny zavatra rehetra ianao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

7 Diniho izay lazaiko aminao, fa homen’ny Tompo fahalalana amin’ny zavatra rehetra ianao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

7 Diniho izay lazaiko, fa homen’ny Tompo fahazavan-tsaina ny amin’ny zavatra rehetra hianao.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

7 Diniho izay lazaiko, fa homen'ny Tompo fahazavan-tsaina ny amin'ny zavatra rehetra ianao.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

7 Diniho izay lazaiko fa homen’ny Tompo fahazavan-tsaina ny amin’ny zavatra rehetra ianao.

Jereo ny toko dika mitovy




2Timoty 2:7
40 Rohy Ifampitohizana  

Homen’ny TOMPO saina mahiratra sy mahay anie ianao rehefa hatsangany hifehy an’i Israely, mba hitandremanao ny lalànan’ny TOMPO Andriamanitrao.


ary omeo an’i Salômôna zanako ny fo vonona manontolo hitandrina ny didinao sy baikonao ka hanatanterahany azy rehetra sady hanorina ny tempoly lapanao izay efa nanomanako fitaovana.


Mpanomponao aho ka mba ataovy mahira-tsaina hahafantarako ny baikonao.


Mahitsy mandrakizay ny baikonao; ataovy mahira-tsaina aho mba ho velona.


Nanao sy namboatra ahy ny tananao: ataovy mahira-tsaina aho hianarako ny didinao.


Ny tenin’ireo ihany no mifotitra aminy; izay rehetra mahita azy, dia mihifi-doha.


Nandinika ny zavatra hitako aho ka nahazo lesona avy aminy:


Ny omby mahalala ny tompony manana azy, ary ny boriky mahalala ny fihinanam-bilona izay famahanan’ny tompony azy; Fa i Israely tsy te hahalala na inona na inona; eny, ny vahoakako tsy mba mahafantatra.»


Izany no fomba natoron’Andriamaniny azy; izany no nampianariny azy.


Miala liana amin’ny feom-baliha sy lokanga ombàn’ny ampongatapaka sy sodina ireo; fa izay ataon’ny TOMPO tsy ahoany ary ny asa vitany tsy jereny akory!


Ireo zatovo efa-dahy ireo dia nomen’Andriamanitra fahaizana amam-pahalalana amin’ny sehatra rehetra momba ny soratra sy ny fahendrena; ary i Daniela nahafantatra ny hevitry ny fahitana sy nofy rehetra.


satria Izaho ihany no hampiteny anareo sy hanome fahendrena anareo, ka tsy hahatohitra sady tsy haharesy lahatra anareo izay rehetra miampanga anareo.


Tamin’izay dia nosokafan’i Jesoa ny sain’ireo mpianatra mba hahafantatra ny Soratra Masina,


–Tadidio tsara izao teny izao: Hatolotra eo an-tanan’ny olombelona ny Zanak’olona.


Fa ilay Mpananatra, dia ny Fanahy Masina Izay hirahin’ny Ray noho ny anarako, no hampianatra anareo ny zavatra rehetra sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra nolazaiko taminareo.


Fa rehefa tonga ny Fanahy fahamarinana, dia Izy no hitari-dalana anareo ho amin’ny marina rehetra: satria tsy hiteny avy amin’ny tenany Izy, fa izay rehetra ho reny no holazainy; ary ny zavatra ho avy aza dia hambarany aminareo.


ka nafahany tamin’ny fahoriana rehetra ary nataony mamy hoditra sy nomeny fahendrena teo anatrehan’ny Farao, mpanjakan’i Ejipta. Dia notendren’ny Farao ho mpifehy an’i Ejipta sy ny tao an-dapany rehetra i Jôsefa.


Ny anankiray dia omen’ny Fanahy teny feno fahendrena; ary ny anankiray omen’izany Fanahy izany teny feno fahalalana.


Raha mba hendry ireo dia ho nahalala izao sy ho nahafantatra ny hiafarany:


Koa aoka hoekenareo anio sy haraikitrareo ao am-ponareo fa ny TOMPO no Andriamanitra any amin’ny lanitra ambony sy etỳ amin’ny tany ambany, sady tsy misy afa-tsy Izy.


Farany, ry havana, aoka hoheverinareo izay zavatra tsara sy maha te hidera: dia izay rehetra marina, manan-kaja, ara-drariny, madio, mahatehotia ary tsara laza.


Izany no tsy itsaharanay mivavaka ho anareo, hatramin’ny andro nandrenesanay ny aminareo. Mangataka amin’Andriamanitra izahay mba ho feno fahalalana tsara ny sitrapony ianareo, ka homena ny fahendrena amam-pahazavan-tsaina rehetra avy amin’ny Fanahy Masina.


Tontosay ireo adidy ireo ka imasoy tsara, mba hiharihary amin’ny olona rehetra ny fandrosoanao.


Ny mpamboly izay misasatra no tokony ho voalohany mandray izay anjarany amin’ny vokatra.


Tsarovy i Jesoa Kristy, Izay nipoitra avy amin’ny taranak’i Davida sady efa nitsangana velona avy tany amin’ny maty, araka ny Vaovao Mahafaly torîko.


Eritrereto tsara i Jesoa, Izay niaritra ny fanoherana mafy nafitsoky ny mpanota taminy; ka aza kivy, aza ketraka ianareo.


Tsarovy ireo mpitarika anareo ara-pivavahana, izay efa nitory ny tenin’Andriamanitra taminareo; hevero izay niafaran’ny fiainany ka alao tahaka ny finoany.


Koa amin’izany, ry havana, efa voatokana ho an’Andriamanitra ianareo sady efa voaantsony hiombon’anjara amin’ny fiainana any an-danitra, ka diniho i Jesoa ilay irak’Andriamanitra sady Mpisorombe antoky ny finoana izay ekentsika.


Hevero ny fahalehibiazan’i Melkitsedeka! Fa i Abrahama razambentsika dia nanome azy ny ampahafolon-kareny avy amin’ireo zavatra tsara indrindra azony babo tany amin’ny ady.


Kanefa raha misy aminareo tsy manam-pahendrena, dia aoka izy hangataka amin’Andriamanitra fa homeny; satria manome malalaka ho an’ny olona rehetra Andriamanitra sady tsy mba mandatsa.


Izany fahendrena izany dia tsy avy any ambony fa araka ny etỳ an-tany sy araka ny maha olombelona ary avy amin’ny demony;


Fa ny fahendrena avy any ambony dia voalohany indrindra madio, ary koa tia fihavanana, mandefitra, mora ifampiraharahana, be famindrampo sady mahavokatra asa soa, tsy miangatra, tsy mihatsaravelatsihy.


Ary fantatsika fa tonga ny Zanak’Andriamanitra ka efa nanome antsika fahazavan-tsaina mba hahalalantsika an’ilay Andriamanitra tena Izy; ary tafaray amin’izany Andriamanitra tena Izy izany isika, amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanany Izay Andriamanitra tena Izy sady fiaina-maharitra mandrakizay.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra