Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 9:15 - DIEM PROTESTANTA

15 Nampamboatra ampingabe roanjato tamina metaly miharo volamena i Salômôna mpanjaka; ka lanjam-bolamena enina kilao avy no nilaina isan’ampinga.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

15 Nanao ampinga volamena lehibe roanjato tamin’ny volamena voafisaka i Solomona mpanjaka ka takelaka volamena milanja sekela eninjato no napetaka tamin’ny ampinga lehibe iray.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

15 Nampamboatra ampingabe roanjato tamina metaly miharo volamena i Salômôna mpanjaka; ka lanjam-bolamena enina kilao avy no nilaina isan’ampinga.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

15 Nanao ampinga volamena lehibe roan-jato tamin’ny volamena voatefy i Salômôna mpanjaka ka volamena enin-jato sikla avy no lany tamin’ny isan’ampinga;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

15 Ary Solomona mpanjaka nanao ampinga volamena lehibe roan-jato tamin’ny volamena voafisaka, ka takela-bolamena sekely enin-jato no napetaka tamin’ny ampinga lehibe iray.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

15 Ary Solomona mpanjaka nanao ampinga volamena lehibe roan-jato tamin'ny volamena voafisaka, ka takela-bolamena sekely enin-jato no napetaka tamin'ny ampinga lehibe iray.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 9:15
6 Rohy Ifampitohizana  

ka namabo ny raki-tsoa tao an-tranon’ny TOMPO sy tao an-dapan’ny mpanjaka; nobaboiny avokoa ireo, indrindra ny ampinga volamena rehetra nataon’i Salômôna.


ankoatra ny haba nalainy tamin’ny mpandranto sy ny mpivarotra, ary koa ny volamena sy volafotsy nentin’ny mpanjakan’i Arabia rehetra mbamin’ireo governoran’ny tany ho an’i Salômôna.


Dia nampamboatra ampinga kely telonjato tamina metaly miharo volamena koa izy; ka lanjam-bolamena telo kilao avy no nilaina isan’ampinga. Ary napetran’ny mpanjaka tao amin’ilay trano antsoina hoe «Alan’i Libano» ireo.


Mitambatra ho iray ihany amin’ny sisa rehetra ny boko sy ny rantsana, ka samy ho volamena madio avokoa izy rehetra.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra