19 Nefa kosa raha mivily ianareo ka mandao ny lalàna sy ny didy izay napetrako teo anoloanareo, ka mandeha manompo andriamani-kafa sy miankohoka eo anatrehany,
19 Fa raha mivily kosa ianareo ka mahafoy ny didiko sy ny lalànako, izay nataoko teo anoloanareo, ka mandeha manompo andriamanitra hafa sy miankohoka eo anatrehany,
19 Nefa kosa raha mivily ianareo ka mandao ny lalàna sy ny didy izay napetrako teo anoloanareo, ka mandeha manompo andriamani-kafa sy miankohoka eo anatrehany,
19 Fa raha mivily kosa ianareo, ka mahafoy ny didy aman-dalàko, izay nataoko teo anoloanareo, ka mandeha manompo andriamani-kafa, sy miankohoka eo anatrehan’ireny;
19 Fa raha mivily kosa hianareo ka mahafoy ny didiko sy ny lalàko, izay nataoko teo anoloanareo, ka mandeha manompo andriamani-kafa sy miankohoka eo anatrehany,
19 Fa raha mivily kosa ianareo ka mahafoy ny didiko sy ny lalako, izay nataoko teo anoloanareo, ka mandeha manompo andriamanikafa sy miankohoka eo anatrehany
«Ianao kosa, ry Salômôna zanako, fantaro ilay Andriamanitra notompoin’ny rainao, ka manompoa Azy amin’ny fo manontolo sy amin’ny fanahy mazoto; fa ny TOMPO dia mpandinika ny fon’ny olona rehetra ary mpahafantatra ny fieritreretana rehetra. Raha mitady Azy ianao, dia hahita Azy; fa raha mandao Azy kosa ianao, dia hariany mandrakizay.
Aza miankohoka eo anatrehan’ireny sampy ireny ary aza manompo azy, satria Izaho TOMPO Andriamanitrao dia saro-piaro amin’ny maha Andriamanitra Ahy. Raha misy olona meloka amin’izany ka mankahala Ahy, dia hofaiziko izy sy ny taranany hatramin’ny zafiafy sy ny zafindohalika;
Fa raha tsy mety manaraka ny Teniny ianareo, dia hohalavainy ny fitoeran’ny Israelita atỳ an-taniefitra, ary ho tompon’andraikitra amin’ny fahavoazan’izao vahoaka rehetra izao ianareo.
Raha tsy ekenareo kosa ny TOMPO Andriamanitrareo ka tsy imasoanareo hotanterahina ny didy aman-dalànany rehetra izay ampitaiko aminareo anio, dia ho tonga sy hianjady aminareo ireto ozona rehetra ireto:
Aza mifangaro amin’ireo firenena izay mbola tavela eo aminareo; aza miantso ny anaran’andriamaniny na mampiasa izany hianianana; aza mivavaka aminy na miankohoka eo anatrehany;