Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




2Tantara 7:20 - DIEM PROTESTANTA

20 dia hongotako ianareo tsy amin’ny taniko izay nomeko anareo; ary hariako lavitra Ahy ity tempoly izay natokako hanajana ny anarako ity. Amin’izay ianareo Israelita dia hataoko fandatsa sy fanaraby any amin’ny firenen-kafa rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

20 dia hongotako amin’ny tany izay nomeko anareo ianareo; ary hofongorako tsy ho eo imasoko ity trano nohamasiniko ho an’ny anarako ity sady hataoko ho fiteny sy ho faneso any amin’ny firenena rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

20 dia hongotako ianareo tsy amin’ny taniko izay nomeko anareo; ary hariako lavitra Ahy ity tempoly izay natokako hanajana ny anarako ity. Amin’izay ianareo Israelita dia hataoko fandatsa sy fanaraby any amin’ny firenen-kafa rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

20 dia hofongorako amin’ny taniko izay nomeko azy izy ireo; ity trano nohamasiniko ho an’ny Anarako ity, hariako tsy ho eo anatrehako, sy hataoko zary fandatsa sy fanarabin’ny olona any amin’ny firenena rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

20 dia hongotako amin’ny tany izay nomeko anareo; ary hofongorako tsy ho eo imasoko ity trano nohamasiniko ho an’ny anarako ity sady hataoko ho ohabolana sy ho ambentinteny any amin’ny firenena rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

20 dia hongotako amin'ny tany izay nomeko anareo; ary hofongorako tsy ho eo imasoko ity trano nohamasiniko ho an'ny anarako ity sady hataoko ho ohabolana sy ho ambentinteny any amin'ny firenena rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 7:20
21 Rohy Ifampitohizana  

Ny TOMPO hamely ny Israelita ka hampipararetra azy toy ny volotara hetsiketsehan’ny rano sady hanongotra azy amin’ity tany soa izay nomeny ny razany ity ary hanely azy any an-dafin’ny ony Eofrata, satria nanao tsatokazo fanajana an’i Aserà izy ka nampahatezitra ny TOMPO.


dia hongotako ianareo, ry Israelita, tsy ho amin’ny tany izay nomeko anareo; ary hariako lavitra Ahy ity tempoly izay natokako hanajana Ahy ity. Amin’izay ianareo Israelita dia ho tonga fandatsa sy fanaraby any amin’ny firenen-kafa rehetra.


Izany no nandavan’ny TOMPO ny taranak’i Israely rehetra ka nampahoriny azy sy nanolorany azy ho eo an-tanan’ny mpandroba ary farany hanesorany azy ho lavitra ny fanatrehany.


Nodoran’ny Babilônianina koa ny tranon’Andriamanitra, ary noravany ny mandan’i Jerosalema; notselarany afo ny lapa rehetra ary nosimbany ny fanaka sarobidy isan-karazany tao an-tanàna.


Izahay ataonao fandatsan’ny vahoaka hafa izay mpifanila aminay, zary fanakora sy faneso ho an’ireo firenena manodidina anay;


tsy mba ny tsara no tianao fa ny ratsy, tsy mba ny marina fa ny lainga. Fiatoana


Fa raha misy kosa firenena iray tsy mety mihaino Ahy, dia hongotako tanteraka izy sady haringako. Izany no teny hentitra avy amiko TOMPO.»


Noho izany dia horoahiko hiala amin’ity tany ity ianareo hankany amin’ny tany izay tsy fantatry ny tenanareo na ny razanareo. Any no hanompoanareo andriamani-kafa andro aman’alina, fa tsy hiantra anareo intsony Aho.› »


Indraindray dia milaza ny hanongotra sy hanjera ary handrava firenena iray na fanjakana iray Aho.


Firenena maro no handalo eo akaikin’ity tanàna ity ka hifanontany hoe: inona no antony nahatonga ny TOMPO hamely ity tanàna ity tahaka izao?


Hatolotro ho fampihorohoroana ny fanjakana rehetra eto an-tany izy; ka na aiza na aiza hanapariahako azy, dia ho ohatra fandatsana sy fanarabiana ary fanesoana sy fanozonana izy.


Mandraka ankehitriny dia nilofo namely azy Aho, mba hanongotra sy hanjera, hanapotika sy handrava, ary hanisy ratsy azy. Fa izao kosa hilofo hanasoa azy Aho mba hanarina sy hampiorina; teny hentitra avy amiko TOMPO izany.


Moa mitady hampahasosotra Ahy va ianareo amin’ny asan-tananareo sy ny fanoloranareo sorona ho an’ireo andriamani-kafa ao amin’ny tany Ejipta izay ialokalofanareo? Sa tianareo haringana ny tenanareo ka ho tonga oha-panozonana sy oha-pandatsana any amin’ny firenen-kafa rehetra eran-tany!


Noho izany, dia izao no hafatry ny TOMPO asainy ampitaiko aminao: «Eo am-pandravana izay naoriko Aho izao ary eo am-panongotana izay namboleko; ary korontaniko ny tany tontolo.


Asaiko tonga ireo hafa firenena lozabe mba haka ny tranon’ny mponina. Hatsahatro ny avonavon’ireo mahery ary hozimbazimbaina ny toeramasiny.


Fa raha tsy mety manaraka ny Teniny ianareo, dia hohalavainy ny fitoeran’ny Israelita atỳ an-taniefitra, ary ho tompon’andraikitra amin’ny fahavoazan’izao vahoaka rehetra izao ianareo.


Ho figagàn’ny olona sy ho ambentinteniny ary ho fihomehezany ianareo any amin’ny firenena rehetra izay hitondran’ny TOMPO anareo.


Anjaran’ny TOMPO Andriamanitsika ny mahafantatra ny zava-miafina. Ny tenantsika sy ny taranatsika hatrany hatrany kosa no mahafantatra ny zavatra ambarany, mba hanatanterahantsika ny didy rehetra raketin’ity Lalàna ity.


Ireo no mandrava ny firîndran’ny sakafom-pifankatiavana ataonareo, fa miara-mihinana aminareo tsy amin-tahotra sady mpiandry mamahan-tena. Toy ny rahona faohin-drivotra ireo ka tsy mahalatsaka orana; toy ny hazo fararano tsy misy voany sady voaongotra, ka indroa maty;


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra