Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 7:12 - DIEM PROTESTANTA

12 dia nisehon’i TOMPO indray i Salômôna nony alina, ka nilazany hoe: –Efa reko ny vavakao ary efa voafidiko ho trano fanateran-tsorona ho Ahy ity toerana ity.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

12 Nony alina dia niseho tamin’i Solomona NY TOMPO ka niteny taminy hoe: Efa reko ny vavaka nataonao, ary efa nofidiko ho Ahy ity toerana ity ho trano fanolorana fanatitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

12 dia nisehon’i TOMPO indray i Salômôna nony alina, ka nilazany hoe: –Efa reko ny vavakao ary efa voafidiko ho trano fanateran-tsorona ho Ahy ity toerana ity.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

12 Ary niseho taminy i Iaveh nony alina, ka nanao taminy hoe: «Efa nohenoiko ny vavakao, ary efa nofidiko ho trano fanateran-tsorona ity fitoerana ity.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

12 Ary Jehovah niseho tamin’i Solomona nony alina ka nanao taminy hoe: Efa reko ny vavakao, ary efa nofidiko ho Ahy ity fitoerana ity ho trano fanateram-panatitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

12 Ary Jehovah niseho tamin'i Solomona nony alina ka nanao taminy hoe: Efa reko ny vavakao, ary efa nofidiko ho Ahy ity fitoerana ity ho trano fanateram-panatitra.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

12 Nony alina dia niseho tamin’i Solomona NY TOMPO ka niteny taminy hoe: Efa reko ny vavaka nataonao, ary efa nofidiko ho Ahy ity toerana ity ho trano fanolorana fanatitra.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 7:12
17 Rohy Ifampitohizana  

Rehefa feno 99 taona i Abrama, dia nisehoan’ny TOMPO ka nitenenany hoe: –Izaho no Andriamanitra Tsitoha; aoka handeha eo anatrehako ianao sady tsy hanan-tsiny;


dia nisehoan’ny TOMPO tahaka ilay nisehoany taminy tao Gibehôna indray izy,


Ary hoy indray i Elià tamin’i Elisà: –Mijanona eto re ianao, fa irahin’ny TOMPO hankany Jôrdàna aho. Fa novaliany hoe: –Velona ny TOMPO ary velona ny ainao, koa mianiana aho fa tsy handao anao! Dia niara-nandeha izy mianaka.


hiverina ka hilaza amin’i Hezekià filohan’ny vahoakan’Andriamanitra hoe: –Izao no lazain’ny TOMPO Andriamanitr’i Davida razambenao: Reko ny vavakao ary hitako ny ranomasonao. Koa hositraniko ianao, ary raha afakampitso ihany dia hiakatra ao an-tranoko ianao.


Ny sarivongan’ny andriamani-bavy Aserà, izay nampanamboariny, dia napetrany tao amin’ny tempoly izay efa nolazain’ny TOMPO tamin’i Davida sy i Salômôna zanany hoe: «Ato amin’ity tempoly ity sy eto Jerosalema izay tanàna nofidiko tamin’ny foko israelita rehetra ity no hampitoerako mandrakizay ny voninahitro.


Tamin’ny alina iny no nisehoan’Andriamanitra i Salômôna ka nilazany hoe: –Angataho izay tianao homeko anao!


Eny, voafidiko sy natokako ity tempoly ity mba hitoeran’ny voninahitro mandrakizay; ka ho ao mandrakariva ny fiahiako anareo sy ny fitiavako anareo.


TOMPO ô, renao ny fanirian’ny malahelo ka ampaherezinao tokoa ny fony.


Kanefa nihaino Andriamanitra, tena reny tokoa ny fivavako.


Ary ho mamin’ny TOMPO ireo fanatitry ny vahoakan’i Joda sy i Jerosalema toy ny tamin’ny andro taloha sy tamin’ny taona fahiny.


Fa hoy ilay anjely taminy: –Aoka izay ny tahotra, ry Zakarià, fa efa nohenoin’Andriamanitra ny vavakao: Hiteraka zazalahy aminao i Elizabeta vadinao. I Jôhany no hataonao anarany.


ka nilaza tamiko hoe: «Ry Kôrnely, nohenoin’Andriamanitra ny vavakao ary notsarovany koa ny fiantrana vitanao.


Amin’izay, ilay toerana hofidin’ny TOMPO Andriamanitrareo hipetrahan’ny voninahiny no hitondranareo ny zavatra rehetra nandidiako anareo: dia ny sorona dorana manontolo sy ny sorom-pihavanana ataonareo, ny fahafolon-karenareo, ny fitia tsy mba hetra foinareo, ny zavatra rehetra voafantinareo mba hanalana ny voadinareo tamin’ny TOMPO.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra