Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 6:41 - DIEM PROTESTANTA

41 «Koa ankehitriny, ry TOMPO Andriamanitra ô, avia honina amin’ny toeram-pitsaharanao, dia Ianao sy ilay Vatamasina itoeran’ny herinao. Ry TOMPO Andriamanitra ô, aoka ny mpisoronao hitafy famonjena, ary aoka ireo mpivavaka aminao hifaly heni-kasambarana!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

41 Koa ankehitriny, mitsangàna ho amin’ny fitsaharanao, RY TOMPO Andriamanitra ô, dia Ianao sy ny vata misy ny faneken’ny herinao! Aoka ny mpisoronao hitafy famonjena, RY TOMPO Andriamanitra ô, ary aoka ny olonao masina hifaly amin’ny soa.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

41 «Koa ankehitriny, ry TOMPO Andriamanitra ô, avia honina amin’ny toeram-pitsaharanao, dia Ianao sy ilay Vatamasina itoeran’ny herinao. Ry TOMPO Andriamanitra ô, aoka ny mpisoronao hitafy famonjena, ary aoka ireo mpivavaka aminao hifaly heni-kasambarana!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

41 «Ankehitriny, ry Iaveh Andriamanitra, aoka hitsangana Ianao ho any amin’ny fitoerana fitsaharanao, dia Ianao sy ny fiaran’ny herinao! Aoka hitafy famonjena ny mpisoronao, ry Iaveh Andriamanitra, ary aoka hiarana amin’ny hasambarana ny olonao masina.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

41 Koa ankehitriny mitsangàna, ry Jehovah Andriamanitra ô, ho amin’ny fitsaharanao, dia Hianao sy ny fiaran’ny herinao; aoka ny mpisoronao hitafy famonjena, Jehovah Andriamanitra ô, ary aoka ny olonao masina hifaly amin’ny soa.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

41 Koa ankehitriny mitsangàna, ry Jehovah Andriamanitra ô, ho amin'ny fitsaharanao, dia Hianao sy ny fiaran'ny herinao; aoka ny mpisoronao hitafy famonjena, Jehovah Andriamanitra ô. ary aoka ny olonao masina hifaly amin'ny soa.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 6:41
24 Rohy Ifampitohizana  

Dia nitsangana i Davida mpanjaka, ka nanao hoe: –Henoy aho, ry havako sy mpiray firenena amiko! Raha izaho, dia efa fikasàko ny hanorina tempoly hipetrahan’ilay Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan’ny TOMPO, izany hoe ilay fitoeran-tongotry ny Andriamanitsika; ary efa novononiko izay hoenti-manorina azy.


Nahazo tanàna mimanda sy tany lonaka izy; nahazo trano feno zava-tsoa isan-karazany, lavaka famorian-drano voahady, tany voavoly voaloboka sy ôliva, ary tany misy hazo fihinam-boa marobe. Noho ny hatsaramponao lehibe, dia nihinana izy ka voky ary nihanatavy ka faly nanaram-po.


Avy eo Tsiôna anie ny TOMPO Andriamanitra no hanitatra ny fahefàm-pitondranao! Enga anie hiharan’ny fanapahanao eo anivon’ireo fahavalonao manodidina Anao!


Ny mpisorony hotafîko famonjena, ny mpivavaka hanao hobin-kafaliana.


ny soritr’asa ataonao ampo-drano ny bainga motahinao sy aravonao; oram-batravatra no amontosanao azy ka ombànao fitahiana ny tsirim-bary.


samy vesaran’ny heloka vitany. Ny hadisoanay tsy zakanay; Ianao kosa no mikosoka azy.


Hifaly dia hifaly amin’ny TOMPO aho; eny, hiravoravo amin’ny Andriamanitro satria ny famonjena no toa akanjo nampiakanjoany ahy ary ny fahamarinana no toa lamba nampitafiany ahy; ka faly toy ny mpampakatra misatroka fehiloha aho na toy ny ampakarina miraratra ny firavany.


Manao fisaonana an’i Tsiôna ireo, kanefa hirahina aho hanome azy ribà fehiloha ho solon’ny lavenona amin’ny lohany, hanome diloilo manitra ho solon’ny alahelo sy fitafiana fitondra amin’ny fety ho solon’ny toetra manjoretra. Amin’izay no hiantsoana azy ireo hoe: «Hazo vokatry ny fitahiana, saha nambolen’ny TOMPO mba hanehoany ny famirapiratany.»


Ianareo kosa dia hantsoina hoe: «Mpisorona ho an’ny TOMPO», na holazaina koa hoe: «Mpanao fanompoam-pivavahana ho an’ny Andriamanitsika.» Hanasoavana anareo ny fananan’ny firenen-kafa; ary ianareo no higalabona amin’ny voninahiny.


Izao no lazain’ny TOMPO: «Ny lanitra no sezafiandrianako ary ny tany no fitoeran-tongotro. Koa trano toa inona moa no hataonareo ho Ahy? Ary toerana toa inona no hialako sasatra?


Akory ny fahasambarany! Ary akory ny hatsaran-tarehiny! Vary sy divay vaovao no hampaharoroka finaritra ireo zatovolahy sy zatovovavy.


Fa tsy menatra ny Vaovao Mahafaly aho, satria io no herin’Andriamanitra ho famonjena izay rehetra mino, dia ny Jiosy aloha vao ny hafa firenena.


Fa itafio ny fiadian’i Jesoa Kristy Tompo, ka aza mety hotarihin’ny maha olona mpanota ho amin’ny filàndratsy.


Eny, ianareo rehetra izay natao batisa mba ho tafaray amin’i Kristy Jesoa dia henika ny fiainan’i Kristy.


Isika, fa tsy ry zareo, no mpitandro ny tena famorana, dia isika manompo an’Andriamanitra araka ny fanentanan’ny Fanahy Masina ary mirehareha noho isika tafaray amin’i Kristy Jesoa fa tsy mitoky amin’ny fombafomban’olombelona.


Mifalia mandrakariva noho ianareo tafaray amin’ny Tompo. Mbola antitranteriko indray: mifalia! Manehoa fandeferana amin’ny olona rehetra.


Raha vao mandroboka tongotra ao anaty rano ireo mpisorona mitondra ny Vatamasin’ny TOMPO, dia ho tapaka ny ranon’i Jôrdàna: hijanona ny rano avy any ambony ka hisavovona toy ny antontan-javatra.


Nanaraka Azy ny tafiky ny lanitra, ka samy nitaingina soavaly fotsy sy nitafy lamba rongony madinika sady fotsy no madio.


ka akanjo madio mangatsakatsaka, natao tamin’ny kiran-drongony madinika, no natolotra hiakanjoany.» (Fa izany akanjo rongony madinika izany dia tandindon’ny asa ara-drariny vitan’ny vahoakan’Andriamanitra).


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra